“The Voice of Europe” : Voafantina hifaninana i Samuella

Hanomboka ny alatsinainy 19 oktobra izao ny “The Knoc­kouts”, fifaninanan-kira “The Voice of Europe”. Tsy diso an­jara amin’izany i Masa­gasi­kara, nahavoafantina an’i Samuella. Misy 20 ireo mpandray anjara hifaninana izay notsongaina noho ny talenta ananan’izy ireo. Hira haranty eo anivon’ny tambajotran-tserasera no hitsarana ireo mpifaninana ka amin’io alatsinainy io no manomboka ny fanaparitahana izany. Miantso fa­nohanana avy amin’ny Mala­gasy i Samuella, satria 50 isan-jato no anjaran’ny mpifidy ary ny 50 isan-jato kosa an’ny mpitsara. Tanjona ho an’i Samuella ny ho tafiditra anatin’ ny roa voalohany ao amin’ny vondrona misy azy ka hahafahany mahazo ny tapakila amin’ ny fihodinana faharoa. “Zava-dehibe amiko ity fifaninanana ity, satria manome ahy fahafahana iray hafa hisolo tena ny fireneko amim-pireharehana, sady hizara ny tontoloko, ny zavatra tiako fatratra ary ny maha izy ahy”, hoy i Samuella.

Mi.Raz

Partager sur: