Ping-Pong – Afrique 2026: Mandravarava ny Malagasy

Niditra tamin’ny andro faharoa, omaly, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja ping-pong ho an’ny sokajy «sénior», lahy sy vavy. Fihaonana tanterahina ao amin’ny Arena Olympic Hall, Tangier, Maroc. Tsara aloha ny vokatra ho an’ireo solontena malagasy, izay mandravarava tokoa. Porofon’ izany, nahazo fandresena hatrany ny lehilahy isan-tarika ho an’ny vondrona fahatelo. Nandresy an’i Rwanda, 3 no ho 0, avy eo nanilika an’i Tu­nisie, 3 no ho 1, ho an’ny an­dro voalohany. Teo amin’ny andro faharoa, nandresy tsy niady an’i Congo. Nitana ny laharana voalohany ary tafita amin’ny ampahefa-dalana. Ny vehivavy indray, nandresy an’i Senegal, 3 no ho 0, avy eo niondrika teo anatrehan’i Alge­rie, 0 no ho 3. Timiary, Antoine, Tsilavo, Fabio eo amin’ny lehilahy ary i Edena sy i Hanitra ary i Vony Ange ho an’ny vehivavy. Marihina fa hifarana amin’ity talata ity ny fifaninanana. Hanana ny lanjany lehibe ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ity satria hiadiana ny tapakila hiatrehana ny ho tompondaka maneran-tany tanterahina any Astana, Kazakhstan, amin’ny taona 2027.

Tompondaka

Partager sur: