Fitsaboana nentim-paharazana: gaboraraka Tanteraka !

Tandindonin-doza ny fahasalamam-bahoaka ! Maniry toy ny anana ny toeram-pitsaboana milaza ho nentim-paharazana. Sehatra iray hanjakan’ny gaboraraka. Mitazam-potsiny ny fanjakana !

Mirongatra izay tsy izy ireo mpitsabo milaza fa nentim-paharazana indrindra ny eto an-drenivohitra! Na tsy manana taratasy fahazoan-dalana ara-dalàna aza ny ankamaroan’izy ireny, na manana fa manita-kevitra manao zavatra hafa ivelan’ izay voarakitra. Tranga nampipoaka ny raharaha ny mahakasika ny FITRAMA, tarihin’ ny tale jeneraliny teo aloha, Rafanomezantsoa Jean Nirina. Ny fikambanana izay nilaza ho manofana tanora ho lasa mpitsabo amin’ny alalan’ny fomban-drazana. Noho ny fi­re­fotry ny raharaha teny amin’ ny tambajotran-tserasera, na­metra-pialana tsy ho mpitantana ny mpitantana azy.
Nanoloana ny fitarainan’ ny olona tao anatin’ny tambajotran-tserasera, namoaka na­o­ty fampahatsiahivana ny eo anivon’ny ministeran’ny Fa­ha­salamana. Raràna ny fa­na­o­vana dokam-barotra mivantana sy ankolaka. Tsy azo atao na amin’ny peta-drindrina na ny haino vaky jery ny asa sy ny fanafody ary ny mpitsabo nentim-paharazana, araka ny naoty nataon’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sonia, Yasmine Lethicia Lydia, na­voaka ny faran’ny herinandro teo. Mbola nanamafy izay rahateo ny minisitra mpiahy. (Vakio pejy faha-10).

Natsahatra ny fiofanana
Ho an’ny eo anivon’ny Fitrama, efa nampiofana olona manokana, nisafidy ny hanatsahatra ny tetikasa no­ka­isany hatao izy ireo. “Na­napa-kevitra ny hampiato ny fihofanan’asa nataon’ireo tanora anatin’ny 3 volana izahay ato amin’ny foibe Fi­tra­ma”, hoy ny nambaran-dRa­fa­nomezantsoa Jean Nirina. Atolotra ireo manana taratasy ara-dalàna ny fitantanana io orinasa io, araka ny fanamafisan’ity farany. Raha tsiahivina, efa miparitaka amin’ny toerana maro eto an-dRe­ni­vohitra ity fikambanan’ny mpitsabo nentim-paharazana mampiasa ny raokandro malagasy ity.
Nandritra ny firongatry ny Covid-19, nilaza ho nahazo ny “observation Clinique” izy ireo ka nisarika olona hi­tsabo karazana aretina. Tonga hatramin’ny filazana hanofana tanora an-jatony izany he­ri­nandro lasa. Niafara tamin’ ny famoahan’ny teo anivon’ ny ministeran’ny Faha­sa­la­mana naoty izany ka izao niafara amin’ny fanatsaharana ny fiofanana mandritra ny fotoana tsy voafetra izao.

Fanafody lafo vidy…
Mankasitraka ny mpitsabo nentim-paharazana ny ankamaroan’ny olona. Noho ny tsy fananam-bola sy ny fidan­gan’ny vidim-panafody, ma­m­pihatra ny fitsaboana mala­gasy avokoa izy ireo. “Ilaina foana ny fitsaboana nenti-paharazana”, hoy ny olon-tsora iray nanontaniana. Oha­tra vitsy notanisainy tamin’ izany, ny fampiharana ny odi-tazo, odi-sery. “Ohatra amin’ ny kely indrindra ireo saingy ampiharintsika hatrany dia ny fampiasana ravim-boankazo sy ravin’ahitra”, hoy izy. Etsy ankilany, mitaky fandraisana andrakitra feno avy amin’ny fitondram-panjakana ny fitaizana ny olona handeha amin’ ny mpitsabo ara-dalàna.

Atao mahafapo ny hopitaly…
Araky ny hevitry ny mpi­tsabo iray eny anivon’ny ho­pi­taly lehibe eto an-dRe­ni­vo­hitra, vahaolana tokana ahafahana mitsinjo ny vahoaka ny fampahafantarana ny hopitaly. “Mila atao mahafapo ireo mitsabo tena ny hopitaly ary mifanaraka amin’izany koa ny vidin’ny fanafody”, hoy ny Dr Nambinintsoa Andrianarison. Tia miala nenina amin’ny zavatra mora vidy ny malagasy, hoy izy. Mandiso fanantenana anefa ireny matetika. Na izany aza, nohamafisiny fa misy ireo fitsaboana malagasy tena mahasitrana. “Mampiasa rongony hanasitranany ny tazo vony ny mpimasy ary tena manasitrana izany. Tsy misy tsy mahalala ny mandrava sarotra sy ny vokatra azo avy amin’ izany koa isika”, hoy izy.

Tsiferana R.

Partager sur: