SOMBIM-BAOVAO

Nifarana teo amin’ny manasa-dalana ny lalan’ ny ekipam-pirenena malagasy, lehilahy, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja ping-pong. Resin’i Algerie tamin’ny isa 3 no ho 1 ny Malagasy. Niatrika ny famaranana i Algerie sy i Egypte, ity farany izay nanilika an’i Tunisie 3 no ho 0.

Nanainga omaly, nihazo an’i Azerbaidjan, ny Barea U15 hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany sy ny “Festival 2026”. Tsiahivina fa ao amin’ny vondrona T no misy azy ireo, miaraka amin’i Nouvelle-Zelande, Mozambique, Porto-Rico, Somalie ary i Venezuela.

Voasafidy ao anatin’ny All Star Five, amin’ny Fiba Africa Regional Youth Camp 2026, Rakotozafy Mitiasoa Christina. Marihina fa niatrika ny Fiba Youth Camp 2026 ho an’ny sokajy U16 zazavavy, natao tany Abidjan, Côte d’Ivoire, ny 15 ka hatramin’ny 18 oktobra lasa teo, izy.

Partager sur: