Hifampitaona etsy Andohatapenaka indray ny mpankafy baolina lavalava, rahampitso. Hiady ny amboara lehibe nasionaly ny ekipan’ny Kaominina, Uscar sy ny Cosfa. Hatao amin’io fotoana io koa ny famaranana ho an’ny sokajy vehivavy.
Hotanterahina rahampitso, ao amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny lalao famaranana ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja Rugby. Hiady ny amboara lehibe amin’izany ny ekipan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, Uscar sy ny miaramila, Cosfa. Tsy maintsy hanao valin’ady amin’io fihaonana io ny mpilalaon’ny kaominina.
Tsiahivina fa efa lavon’ny Cosfa, tamin’ny isa, mokafohy, 26 no ho 25, ny Uscar, nandritra ny famaranana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “XXL Top 12”. Raha azon’ny Cosfa eo ny amboara, azo lazaina ho nahavita pao-droa izany ry zareo, tamin’ity taom-pilalaovana ity. Raha azon’ny Uscar kosa izany, azo heverina ny hisian’ny “Super Coupe de Madagascar”.
Raha hiverenana ny manasa-dalan’izy ireo, ny Uscar no nanintsana ny TFMA Ankasina, tamin’ny isa 45 no ho 44. Ny miaramila kosa nanilika ny TFA Anatihazo, 91 no ho 29.
Ankoatra ireo mpilalao mihaona eo ambony kianja, adin’ny samy mpanazatra efa manana ny lazany eto Madagasikara ihany koa izy ity: i Berthin Zoto, ho an’ny Uscar, ary ny Coach Razily, ho an’ny Cosfa.
Ankoatra izany, hiady ny laharana fahatelo eny an-toerana ihany koa ny samy kartie. Hifanandrina amin’izany ny TFA pilokely sy ny TFMA boaikely manohitra. Hiady ny famaranan’ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy vehivavy kosa, ny FTM Manjakaray sy ny SCB Besarety, tompondaka farany.
Fitia Randria





