Nanatontosa valandresaka ho an’ny mpanao gazety, tetsy Antanimena, omaly, ireo mpikambana ao anatin’ny Komity hamerina ny hasin’ny baolina kitra (K2HB). Mbola mahatsapa ity fikambanana ity fa marary ny baolina kitra, amin’izao fotoana izao. Noporofoin’izy ireo tamin’izany ny vokatra ratsy azon’ny ekipam-pirenena Barea nandritra ny lalao fifanintsanana Can farany teo sy ny an’ireo klioba solontenan’i Madagasikara izay niatrika ny fifaninanana afrikana “LDC Caf” sy ny “Coupe de la Caf”. “Efa ela izahay no nanao antso avo ny amin’ny tokony hijerena ny olana fototra tsy mampivoatra sy tsy mampandroso ny baolina kitra malagasy ary mbola mamerina izany foana, ankehitriny”, hoy ny mpitantana iray eo anivon’ny K2HB. Nomarihin’izy ireo fa tsy hivoatra mihitsy ity taranja ity raha mbola ny rafitra misy amin’izao fotoana no tazomina. Mila miroso amin’ny fanavaozana izany. Mbola nanamafy hatrany ny hevinyizy ireo. Anisan’ny antony mankarary ny baolina kitra eto an-toerana ihany koa ny tsy fisian’ny politika sy fandaharanasa mazava. Eo koa ny tsy fisian’ny fifaninanam-pirenena ho an’ireo taninketsa, izay tena fototra tokony himasoana hanatsarana ny hoavin’ny baolina kitra. Mbola miantso ny tomponandraikitra hatrany ry zareo ny mba hametrahana rafitra iray hiaraha-mitantana, entina mampandroso ny baolina kitra eto Madagasikara. Tsiahivina fa efa tamin’ny taona 2009 no nijoro ny fikambanana K2HB.
F.R





