Miainga any ambony

 

Fanovana na fanavaozana izao. “Mahatantesa fanovana isika”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana izay, manoloana ny fisiana kolikoly sy ny tombontsoa voatohintohina. Tsy lavina, be dia be tokoa ny fahaverezan’ny volam-bahoaka. Noho ny kolikoly izay, na kopaka isasahana amin’ny tsikombakomba, fanomezana tombondahiny manokana… Na eo amin’ny tsenambaro-panjakana izay, na fahazoana sy fanatanterahana tetikasa… Saika tari-drano an-kilahila, ka ny mania no betsaka. Tsy maintsy atao ny fanovana na fanavaozana: fanaraha-maso, fanadiovana…
Amin’izany, miainga any ambony ny fanadiovana sy fandaminana. Toy ny manadio trano io, miainga any ambony amin’ny sampandraharaha, ohatra, ny hetsika, fa tsy any ifotony; eny, na eo aza ny hoe fanorenana ifotony. Tsy ny fomba fitantantanana tsy mahomby ve no mambotry ny firenena sy mampahantra vahoaka? Mby amin’ny hoe tsy aiza ny takatra nihinana ny valala fa ao ihany, na ny vano nitsaingoka ny sahona. Eo koa ny fisian’ny lehibe tsy meloka, ny kiantranoantrano fifampiarovan’ny samy tomponadraikitra isan’ambaratonga na isan-tsehatra. Tsy izany ve, ohatra, no nampikatso ny fampiakaran-draharaha teny amin’ny Fitsarana avo teny amin’ny Antenimierampirenena hatramin’izay?
Tena atao ve ny fanavaozana? Na fanovana, na ny ady amin’ny tsimatimanota… Miainga avy any ambony koa izay? Ny tomponandraikitra ambony no mahita ny aty vilany amin’ny fitantanana raha sy vola amin’ny fanjakana, fa tsy izay olom-pirenena any ifotony. Na amin’ny fombafomba sy dingana arahina izany, na amin’izay hirika mety ahazoana manao kolikoly na fanodinkodinana. Ho sahy sy vonona amin’izany ve ireo tomponandraiki-panjalana ambony? Mba ho ohatra velona hotandreman’ny hafa. Fa tena atao tokoa ny fanovana, zaka sy tanty.

R. Nd.

Partager sur: