Fifampizarana traikefa momba ny fampandrosoana ny ZES, fisarihana mpampiasa vola ary fananganana fotodrafitrasa. Nisongadina ireo nandritra ny fihaonana iraisam-pirenena momba ny faritra ara-toekarena manokana, andiany fahefatra, tany Moscou-Rosia. Nanampy an’i Madagasikara namantatra ireo fahafahana miara-miasa amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny hetsika. Tanjona ny hampiroboro ny indostria, hamoronan’asa ary hampitombo ny sandam-bokatra eto an-toerana.
Nahatratra 784 tapitrisa Ariary ny fanondranana volamena voalohany tamin’ny alalan’ny Guichet unique d’exportation (GUE) . Tao anatin’ny tapa-bolana, mitentina 3,4 tapitrisa Ariary ireo vola vahiny azo tamin’ireo volamena 33 kilao naondrana. Mahatratra 735 tapitrisa Ariary kosa ny haba sy ny tamberim-bidy azo tamin’ny fitrandrahana raha 49 tapitrisa Ariary kosa ny saram-pamantarana sy ny fitsirihana ny fahadiovan’ny volamena.
Nogiazana ireo kapoaka arafesina miisa 10 tratra tao amin’ny tsenan’Antanambao, ny 22 oktobra teo. Mety hiteraka fahapoizina ho an’ny mpanjifa ireo fitaovana tratry ny mpanara-maso ka nalana teny an-tsena avy hatrany. Ankoatra izay, nahazo fampitandremana ihany koa ireo mpaninjara menaka, miisa telo, noho ny kalitaon’ny menaka amidiny.





