Taom-panokafana ny fotodrafitrasa naorina sy nohavaozina ity taona ity ho an’ny polisim-pirenena. Nimasoan’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka ny nampitaovana azy ireny ahafahany manakaiky sy manampy ny vahoaka.
Ny lohahevitra «Polisim-pirenena malagasy miaro sy manampy vahoaka» no nanamarihana ny tsingerin-taona nisian’ny polisim-pirenena teto Madagasikara, izay feno 65 taona tamin’ity taona ity. Manan-danja ny fomba nenti-nanamarika azy noho izy mifanindran-dalana amin’ny fanovana sy fanavaozan-drafitra izoran’ny firenena ankehitriny, hoy ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, Inspecteur Général de Police, Erick Michel. Nisy varavarana misokatra nampahafantarana ny polisim-pirenena sy ny mombamomba azy tetsy amin’ny tranom-bokim-pirenena Ampefiloha, nanomboka ny zoma lasa teo ary nifarana omaly. Hetsika samihafa no nanehoana ny polisy manampy vahoaka indrindra tamin’ny fizaham-pahasalamana : fitiliana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza, fitiliana ny diabeta… nokarakarain’ny Fikambanan’ny vadin’ny polisy sy ny polisy vavy (Fivapova), izay rantsana iray miara-mientana ho fanampiana ny vahoaka. Nanombohana ny fankalazana ny 30 septambra lasa teo ny fanomezana ra notanterahin’ny polisy rehetra manerana ny Nosy teny amin’ny tobim-pahasalamana anatin’ny toerana misy azy avy.
Fomba iray hanakaikezana kokoa ny vahoaka ny fampitomboana isa ny polisy am-perinasa. Tontosa ny fifaninanana indroa miantoana nandraisana mpianatra ho polisy. Voalohany nandraisana mpianatra ho agent de police miisa 500 hiofana any amin ny Eniap any Antsirabe. Faharoa, handraisana mpianatra ho kaomisera 20, inspecteur 30 ary agents de police 850. Tanjona ny hanatrarana ny fenitra iraisam-pirenena ho polisy telo ho an’ny olona 100 raha mbola polisy iray ho an’ny olona 3000 ny eto amintsika.
Nandritra ity taona ity no nametrahana amin’ny fomba ofisialy ny fandraisam-pibaikoana ireo talem-paritry ny filaminam-bahoaka satria rafitra manakaiky vahoaka ny fitaleavam-paritra. Nandray ny fibaikoana ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka Boeny, Melaky, Betsiboka ary Sofia ny 16 oktobra lasa teo.
Vonjy





