Aoka hilamina !

Resabe eo amin’ny tontolo politika ny fanambarana nataon’ ireo raiamandreniben’ny firenena toa an-dRamatoa Razanama­hasoa Christine sy Atoa Soja Jean André na i Kaleta. Tao anatin’ ny roa andro, manambara ampahibemaso ny tsy fitoviam-pijery amin’ny samy mpanohana ny filoham-pirenena izy ireo. Andaniny, Ramatoa filohan’ny Antenimierampirenena mampa­tsiahy fa mendrika ny faritanin’i Fianarantsoa ny toeran’ny praiminisitra. Ho sandan’ny fanohanan’izy ireo azy. Toa tsy baikoin’ny fitiavan-tanindrazana, fa miady seza. Ahoana tokoa moa izany raha samy hangataka minisitera 10 avy ny faritany enina ?
Ankilany, sady nivantana no tsy nitsitsy ingahy mpanolo­tsaina manokana momba ny politikan’ny Filoham-pirenena, Atoa Kaleta. Toa namoha fota-mandry, hoentina miampanga iry voalohany. Ny indrokely, tetezamita izay nentin’ny olona tohanan’Atoa mpanolotsaina ihany no « patron » an’ity minisitry ny fitsarana noresahiny.
Tsy hororitina lava ny momba an’iny, fa ny tiana horesahina anio, dia ity ady saritaka amin’ny mpanohana ny fitondrana ity. Tena tsy lojika ny zava-miseho. Na manohana dia tena manohana, manaraka ny lamina sy ny fanendrena isan-karazany ataon’ny Filoha. Tsy misy izany hoe tiana ilay olona, kanefa ilay fandrindrana asa apetrany sy ny olona iarahany tsy ankasitra­hana. Rehefa tsy izay, aleo tsy mitia satria fihatsarambelatsihy sy fampijalian-tena ny fiaretana sy ny fiandrasana tsy misy.
Tsy misy afaka ny hitompo teny fantatra hoe: tsy maintsy handresy amin’ny fifidianana ny mpitondra. Mitaky firaisan-tsaina sy fampitoviana ny tadin-dokanga izany. Ilay fanaovana takalonaina ny filoha sy ny fampifilafilana atao azy io, no singam-bolo handavo ny vositra. Sarotra ho an’ny firenena miady an-trano ny handresy anaty ady goavana sy hatrehina afaka volana vitsy. Tsy ho araky ny olona tohanana avokoa ny adidy ho an’ny tanindrazana sy ny fandaminana ny adin’ankizy ao an-tokantrano. Taon-trano tsy efan’ny irery ny fampandaniana ny filoha na am-perinasa aza izy.
Efa iaraha-mahalala ny toe-java-misy ankehitriny, mihetsi­ketsika ny Fiombonan’ny fiangonana kristinina eto Madaga­sikara na ny FFKM, mamory ny ankolafin-kery politika misy. Ny vovonana politika sy ny fikambanana isan-tsokajiny rahateo, mikonokonon-javatra tsy hay mazava. Tsy misy tompon’ny ampitso, na iza na iza. Tsy ampy ny fitokisan-tena sy ny fiheve­rana ny vahoaka malagasy efa «  voasoavaly », tratran’ny tian-kano, tsy tian-kano. Tsy afa-mihetsika satria maty noana sy bokan-trosa. Marefo e ! tsy manan-tanana handrangotra.
Fehiny, mila milamina sy mandamina ny mpanohana fitondrana, raha tiany ny hahamarin-toerana ny sezany.

r.r

Partager sur: