Fihariana iray mampitombo ny vola miditra sy harinkarem-pirenena ny famokarana rononon’omby.
I Madagasikara anefa tsy mamokatra afa-tsy 50 tapitrisa litatra isan-taona, nefa ilaina ho an’ny fanjifana manontolo, tombanana ho 14 tapitrisa litatra.
Tsy ampy ny vokatra rononon’omby eto Madagasikara. 50 tapitrisa L isan-taona raha tokony ho 140 tapitrisa litatra isan-taona izany. Tsy mila soritana ny ilana ny ronono ho an’ny fahasalamana, izay nambaran’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana (OMS), fa tokony ho 60 L isan-taona no jifain’ny olona iray. Anisan’ny voasokajy amin’ izany i Madagasikara, izay tombanana ho 5 L isan-taona ny salanisa ho an’ny olona iray
Efa 10 taona mahery narenina ny fihariana ronono hamenoana ny banga, eo amin’ ny lafiny famokarana, fanangonana, fanodinana, varotra ronono.
Ao anatin’izay tanjona izay ny Vondron’ny kaope-rativa mpamokatra ronono, Rova, any Vakinankaratra, mandray anjara amin’ny fanatsarana ny seha-pihariana.
Amin’izay fanatsarana izay, jerena avokoa ny lafiny tsara sy ratsy amin’ireny asan’ ny kaoperativa ireny, ary manome vahaolana ho fampandrosoana maharitra ny famokarana ronono. Raha ny lafin’ ny toekarena, hatevenina ny asan’ny kaoperativa hisarihana mpiompy maro.
Nofaritan’ny Vondron’ny kaoperativa Rova, ohatra, ny tokony hatao anatin’ny vanim-potoana misy krizy, toa ny fitaovana ahazoana manangona ny lafiny teknika; manome fanofanana ; fanaraha-maso ; sns
Hahazoana manatsara ny lafiny teknika sy ny toekarena izany.
Manan-danja amin’ny toekarena
Ny olana hita anefa hatramin’izao eo amin’ny famokarana, fanangonam-bokatra, fanodinana, varotra. Na izany aza, ny fihariana ronono amin’ izao fotoana izao eto Madagasikara manan-danja amin’ny lafiny toekarena sy sosialy. Mampandroso ny any ambanivohitra, mampisy fidiram-bola ho an’ny tantsaha. Miantoka ny fampandehanana ny indostria izany amin’ny akora fototra avy aminy (ronono, hena, hoditra) ary ahazoana mamorona asa, toy ny asa tanana.
Ndrina