Nitombo ny vary nafarana tamin’ny 2022 raha ampitahana tamin’ny 2021. Taona 2022 no nahitana vary nafarana be indrindra, 632 125 t, araka ny tarehimarika nomen’ ny Trade Map. Volana nifandimby, marsa sy avrily tamin’ ny taon-dasa, ohatra, nanantombo 35 % ny vary nafarana tamin’ny volana avrily teo am-piandrasana ny taom-pijinjana 2022, araka ny fanamarihan’ny ODR*.
Eo anelanelan’ny 3,5 tapitrisa t sy 4,5 tapitrisa t ny voka-bary eto Madagasikara. Midika izany fa mitohy ny tsy fahampian’ny vokatra. Voatery firenena mpanafatra vary hatrany i Madagasikara. Telo taona nifanesy farany, nitombo ihany izany, ary amin’ity taona 2023 ity, azo antoka fa hitombo hatrany izany.
Eo ny fanafarana vary, fa tsy afa-po amin’i Madagasikara ireo firenena mpanondrana vary. Niakatra ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena rehefa tsy betsaka ny vokatra tany Thaïlande tamin’ny fotoam-piotazana faharoa.
Nambaran’ny ODR fa nitondra fatiantoka ho an’ireo mpamboly ny vidin’ny vary akotry, 1404 ariary, izany hoe nihena 145 ariary. Midika koa fa misy amin’ireo mpandrahara mpanafatra vary manao izay mahakivy ny mpamokatra eto an-toerana. Ny fanjakana rahateo manafatra ny ampahany ilaina ho an’ny vary Mora sy vary Tsinjo, hitazomana ny vidiny hilaharan’ny mpanjifa sasany eny amin’ny fokontany.
Mila politika matotra ny famokaram-bary eto Madagasikara, amin’ny faritra rehetra. Tokony mifameno amin’izany ny asan’ny minisiteran’ny Fambolena sy fiompiana ; minisiteran’ny Indostria, va-rotra sy fanjifana ; minisiteran’ny Toekarena sy ny vola.
Ndrina
ODR* : Observatoire
du riz