KMF/Cnoe: “Mbola tsy tara ny fanavaozana ny lalàm-pifidianana”

Nitondra ny heviny sy ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny KMF/Cnoe. Anisan’izany ny momba ny hiatrehana ny fifidianana amin’ity taona ity.

“Ilaina ary heverina fa mbola tsy tara ny hirosoana amin’ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny fifidianana.” Io ny fanambaran’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena hoe “Fifidianana sy fitantanan-draharaham-panjakana ary ny fitsinjaram-pahefana tena izy: aiza ho aiza isi­ka?”, novakin’ny filoha na­si­onaliny, i Namearison Ro­bert, teny Antanimena, om­aly. Ho fanatanterahana iza­ny, mba ho tena ny hevitry ny ankolafin-kery rehetra eto Madagasikara no hivoaka, araka ny sosokevitry ny fikambanana hatramin’ny 4 avrily 2022: hatomboka avy eny amin’ny faritra ny fa­kan-kevitra; avy eo, haravona eto anivon’ny firenena alohan’ny handrosoana azy any amin’ny parlemanta.

Tokony havoakan’ny governemanta ny tetiandrom-pifidianana
Mitaky ny hamoahan’ny governemanta ny daty raikitra hiatrehana ny fifidianana filohan’ny Repoblika ny KMF/Cnoe. Tsiahiviny fa tapitra amin’ny 9 janoary 2024 ny fe-potoam-piasan’ ny olom-boafidy eny an­ivon’ny kaominina. Mialoha ny fahataperan’ny fe-pot­o­am-piasan’ny filohan’ny Repoblika amin’ny 18 jano­ary 2024 izany. Eo anatre­han’izany, takiny ny hamoahan’ny Ceni vinavina tetiandron’ny fifidianana kaominaly. Tsy ekena ny fanalavana ny fotoam-piasan’ny olom-boafidy.
Ny fifidianana depiote sy ny loholona ary ny filohan’ny Repoblika no tsy azo ampiarahana, araka ny And. 51 amin’ny lalàna 2018-008. Midika izany fa tsy voararan’ny lalàna sady afaka mifanindran-dalana ny fifidianana filohan’ny Repoblika sy ny fifidianana kaominaly. Mampihena ny fandaniana sady misoroka ny fanitarana ny fe-potoam-piasan’ny olom-boafidy eny amin’ny kaominina izany.

Mafy loatra ny fivangongoam-pahefana
“Mafy loatra ny fivangogoam-pahefana amin’ny fanjakana foibe”, hoy ny fanambarana. Andraikitry ny fanjakana ny fiatreahana ny loza voajanahary, ka tsy tokony hampiasa na hikendrena tom­bontsoan’antoko na fita­o­vana politika na anokafana adihevitra hisintonana ny fon’ny vahoaka. Nano­m­boka tamin’ny Repoblika III, tsikaritra ny fampiasana lokon’antoko amin’ny fotodrafitrasa, fitaovana, fanomezana. Tokony ho loko telon’ny sainam-pirenena no hampiasaina, raha volam-bahoaka no nenti-nanana izany. Ny fitsinjaram-pahefana tena izy no miteraka fampandraisana andraikitra ny olom-pirenena eny ifotony.

R. Nd.

Partager sur: