Tato ho ato, mirongatra be ny fanafihan-jiolahy, fakana an-keriny, vono olona… Tsy hita hovisavisaina sy hotanisaisaina. Ny mahavalalanina sy mahafanina: sanatria, toa mitady hanomboka tsy taitra firy intsony ny sasany mandre sy mahalala izany. Mitady hahazo vahana ny kolontsaina filalaovana aina? Efa izany eo amin’ny mpanao ratsy, matoa mandeha ho azy ny fandatsahan-dra sy fanalana aina; eny, na hatramin’ny zaza madinika sy ny lahiantitra na vaviantitra aza.
Tsy vitan’izany, na izay mahalala sy mandre ny trangan-doza etsy sy eroa aza: misy tsy rototra firy intsony… Efa mahazatra? Na tsy ahafaha-manoatra, na efa ho lava… Na itarainana aza, toa tsy hita izay akony sy vokany. Sanatria, misy faly mitantara, manao tatitra, mitanisa, manao fampitahana… Mitady hahazo vahana koa ny kolontsaina tsy mihontsina amin’ny fisiana fandatsahan-dra, fanaovana herisetra, fandratrana olona… ? Eny, na ny famoizana aina izao aza. Nahoana loatra?
Efa mafy sy dodoria be tsy misy famavany ny ady amin’ny fiainana isan’andro vaky? Ao anatin’izany ny ady amin’ny karazan-doza na voajanahary na voatr’olombelona. Samy manao izay afany sy efany amin’ny fiarovan-tena. Eo koa ny hoe fahantrana lalina sy maharitra. Sanatria, lasa tsy ahatsiarovana sy ahalalana ny hafa intsony. Dia mitady handeha ho azy amin’ny sasany ny hoe tsy mifampitsinjo na tsy mifampiaro, fa samy miaro ny ainy sy ny fananany, samy maka ho azy…
Manampy trotraka izany rehetra izany rahateo ny tahotra misetra loza, ny fiadiana irery, ny fanahiana valifaty… Vao mainka mahazo vahana ho azy amin’izany ny mpanao ratsy? Tsy lavina, takina ary efa misy ny hoe fiaraha-miasa eo amin’ny vahoaka ifotony sy ny mpitandro filaminana amin’ny fampitam-baovao. Na izany aza, efa tena zava-doza raha ny vahoaka ifotony indray no mihorohoro sy matahotra, fa tsy ny mpanao ratsy efa tsy mahalala na tsy miraharaha izay hahazo azy.
Misy antony fototra ao matoa tonga amin’izany? Mety ao, ohatra, ny toerana lavitra fanjakana, anjakazakan’ny olon-dratsy, misy jiolahy afaka hatrany na tratra sy gadraina izao aza, tsy ilaozan’izay mahavita mamaly faty… Izany rehetra izany no anisan’ny mahatonga ny fitsaram-bahoaka etsy sy eroa, rehefa sendra be no ho vitsy ny olon-dratsy. Nefa hoe tany misy fanjakana… Tokony ho tan-dalàna?
R. Nd.