Manome fanazavana ny daholobe, indrindra ny mponina any ifotony ny tale jeneralin’ny Ivontoerana nasionaly mikasika ny siansa sy ny teknika nokleary (INSTN), ny profesora Rajaobelison Joël, momba ny tetikasa Base Toliara. Nohamafisiny ny maha mitombina sy ny fahazoa-mino ny vokatry ny fanadihadiana, lazaina amin’ny lafiny teknika hoe tsy « état zéro » amin’ny fandrefesana sy ny fahabetsahana (dosimétrie) ny tahan’ny « radioactivité » ao amin’ny toeram-pitrandrahan’ny Base Toliara any Ranobe.
Anisan’ny nitarika ny ekipan’ny INSTN nanao ny fanadihadiana rahateo ny Pr. Rajaobelison Joël, ny taona 2013. Voarakitra ao anatin’ny vokatry ny fanadihadiana natao fa kely ny ambana ho an’ny mpiasa ao amin’ny toeram-pitrandrahana, sy ho an’ireo mpiasa mivezivezy manodidina.
Rafitra mitarika ny lafiny siansa sy ny teknika nokleary eto amintsika ny INSTN. Sady misolo tena ny Antokon-draharaha iraisam-pirenena momba ny angovo atomika (AIEA) eto Madagasikara rahateo. Izany hoe, mpiasan’ny AIEA eto Madagasikara ihany koa. Hamafisiny ny mampitombina ny vokatry ny fanadihadiana natao mikasika ny tetikasa Base Toliara.
Manara-maso ny AIEA
« Azo antoka foana ny fanadihadiana nataonay hatramin’izao. Tsy afaka manao zavatra fahatany izahay, satria eo ambany fanaraha-mason’ny AIEA », hoy izy.
Hanamarinany izany, notsipihan’ny Pr. Rajaobelison Joël, fa ivontoerana fitaratry ny governemanta malagasy ny INSTN amin’ny lafiny fampiasan’ny sivily na ny fiarahamonina ny angovo nokleary sy ny nanoteknolojia (nanotechnologie). Izy no miantoka ny fanatanterahana ny fanadihadiana ara-tontolo iainana (EIE) ny fiantraikan’ny « radioactif », ka voakasik’izany ny tetikasa momba ny harena an-kibon’ny tany. Manaraka ny dingana ara-tsiantifika amin’ny fakana santionany ny singa, toy ny nataony ny Base Toliara.
Tsy ampy ny santionana singa iray monja
Mampahafantatra ny INSTN fa misy karazany samihafa ny olona na mpandraharaha eto an-toerana sy vahiny mampanao raharaha azy ireo. Nisy tamin’izy ireo nitondra santionana singa tao amin’ny INSTN, izay tsy fantatra ny fiaviany. « Taorian’ny fanadihadiana, fantatra fa « radioactif » ilay singa. Marihinay fa nanao ny fanadihadiana izahay, fa tsy fantatray ny nakan’ireo olona ireo ilay singa », hoy ny Pr.Rajaobelison Joël. Taty aoriana, vao nahafantatra ny INSTN fa mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ireo olona ireo. Nifototra tamin’ny santionana singa iray monja izy ireo, izay tsy mahasolo tena ny rehetra. Tsy azo ampifandrifiana amin’ny vokatry ny fanadihadiana ataon’ny INSTN izany, koa, tsy mitombina ny filazana hanaovana tsoa-kevitra fa « radioactif » ny toerana any Ranobe.
Kely ny « uranium » sy ny « thorium » any Ranobe
Nanazava momba ny singa hita amin’ny firafitry ny harena an-kibon’ny tany ny Dr. Randriamalala Paul, avy ao amin’ny Sampam-pampianarana Siansa. Ahitana monazita sy « zircon » any amin’ny toeram-pitrandrahana Ranobe. Avy amin’ireo no hanadihadiana ny tahan’ny « thorium », ny « uranium », ny potasioma. Tsy voakasiky ny firafitry ny ambanin’ny tany ny uranium sy ny thorium any Ranobe, fa ny monazita sy ny « zircon » no mitondra « radiation ». « Araka ny vokatry ny fanadihadiana, tsy betsaka ny uranium sy ny thorium, toraka izany koa ny potasioma sy ny « radon » any amin’ny firafitry ny vato any ambanin’ny tany any Ranobe », hoy izy eo am-pamaranana.
Njaka Andriantefiarinesy