Manao tatitra isaky ny roa taona ny fikambanana iraisam- pirenena miaro ny tontolo iainana, WWF, mikasika ny tontolon’ny biby sy ny zavamaniry dia. Voalaza fa tsy mitsahatra ny miha ratsy ny zava-misy maneran-tany.
Nosinganin’ny WWF fa mirongatra ny trafika, ka isan’izany ny karazan-tsokatra sokake (Astrochelys radiata) eto Madagasikara sy maneran-tany. Amidy malalaka na koa aondrana an-tsokosoko any ivelany, hompian’ny olona, na hohanina, na hisarihana mpitsidika any amin’ny vala ho an’ny biby. Eo rahateo ny finoana fa mitsabo aretina toy ny hasemporana (asthme) na ny hafa ny sokatra.
Avy aty Madagasikara ny 64%-n’ny trafika
Ho an’i Madagasikara, tsy fahita raha tsy eto amintsika ny 80%-n’ny biby sy ny zavamaniry. Biby mandady ny 91% ary zavamaniry ny 80% amin’ireo.
Araka ny tatitry ny sampandraharaha TRAFFIC, nahatratra 121 ny trangana trafika, ka niisa 144.478 ny karazana biby sy zavamaniry sarona, toy ny hazo sarobidy, biby mandady na miain-droa (an-tanety sy an-drano), ny soavalin-driaka (hippocampes), sns. Avy aty Madagasikara ny 64%-n’ireo tranga ireo, izay sokatra ny 30.875 ka tratra ny maherin’ny 21.000, teo anelanelan’ny taona 2018 hatramin’ny 2021.
Raha ny biby misy vanim-boho (vertébré), fantatra fa ringana ny 69%-n’izy ireo maneran-tany teo anelanelan’ny taona 1970 hatramin’ny 2018.
Mirongatra ny kolikoly
Milaza ny tatitry ny WWF, fa mihazakazaka ny fandringanana ny biby sy ny zavamaniry dia, na eo aza ny anjara entiny hisian’ny fifandanjana amin’ny fiainan’ny olombelona. Isika ihany anefa no mahatonga izany, manapotika ny toeram-ponenan’izy ireo.
«Mampirongatra ny trafika ny kolikoly», hoy ny WWF. Firenena be kolikoly faha-147 amin’ny firenena 180 i Madagasikara, araka ny fanadihadiana IPC, ny taona 2022.
Raha izao no mitohy, ho fongana tanteraka ny sokatra an-tanety eto amintsika amin’ ny taona 2050.
Njaka A.