Mila mitandrina fatratra: nanjary tany be ankamantatra i Madagasikara

« Tany be ankamantatra », hono, i Madagasikara ! Io no ambaran’ireo mpikaroka (malagasy sy vahiny) maro momba ny tantara sy ny fomba. Antom-pisian’ny fomba amam-panao iray, aman-jato taona vao hita ny fototra. Ny ankamaroany aza, tsy tonga hatramin’izay niheveran’ny mpikaroka azy. Maro loatra ny zava-miafina sy ireo mety nafenina…

Mahavariana ! Fom­ba amam-panao malagasy, tsy fantatry ny Malagasy na ny fisiany na ny fototra ijoroany. Anisan’ny antony lehibe nahatonga izany ny tsy fisi­an’ny soratra. Saika avy amin’ny lovan-tsofina sy ny tadidy vava ary ny teny nifampitana avokoa ny an­kamaroan’ny nitahirizan’ ireo «vatonamelankafatra» azy ireny. «Ny todin’itsy natao no miverina», nanjary «ny tody tsy misy fa ny natao no miverina». Ny «tsy toko tsy forohana», milaza tsy fisiana, navadika ho fahafenoina sy fananana amby ampy…

Maro ny fiovana tahaka ireo, tazana amin’ny fomba amam-panao malagasy. No­ho izany, mila fitandremana fatratra mba tsy hanara-dia ny efa diso. Nanampy trotraka ny tsy fisian’ny soratra ihany koa ny fanovana na­taon’ny vazaha. Novain-dry zareo hifanaraka amin’ny tombontsoany (natao izay hampiroaroa saina ny Ma­lagasy), ny fomba amam-panao malagasy. Ny fanatanterahana famadihan-drazana, ohatra, navadiky ny mpanjakazaka an-tanin’olona ho filalaovan’ny Malagasy faty. Ny fampiasana ny raokandro, nambarany fa «fanaovana ody ratsy», sns !
Nitsingevana ny fahalalan’ ny Malagasy

Maro ireo fanontaniana tsy nahazoam-baliny mazava raha eo amin’ny fomba amam- panao malagasy. Nitsingevana ny fahalalan’ny Malagasy satria niala tsikelikely ireo fototra nijoroany. Taty aoriana, nisy ny nalaina ara-keviny sy notsorina. Saika nanjavozavo ho an’ny taranaka izy ireny. Nanjary tany be ankamantatra i Madagasikara. Maty tokoa ve ny renibe rehefa dakaina ny rindrindra ? Tsy famboly an-tanàna tokoa ve ny voninkazo telomiova ? Fa maninona no tsy mitsako alohan’ny vazana ? Toa tsy fitondran’ny tsy mipi-bolo, hono, ny hazo «mpanjakabenintany», sns. Tsy takona afenina ihany koa fa nisy tamin’ireo nahafantatra sy niaina tao anatin’ny fomba amam-panao malagasy no tsy nahatafita izany tamin’ny taranany sy ny mpiara-belona.

Nampiditra ny azy moramora…

Rehefa nanomboka tsy nahafantatra ny momba azy ny Malagasy… Nanomboka nampiditra ny azy moramora ny vahiny. Vao mainka nitombo isa indray ny ankamantatra. «Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Zanahary an-tampon’ny loha», hoy ny fahendrena malagasy. Nipoi­tra ny fanontaniana. Fa angaha moa tsy ilay «Ray» ao an-danitra ao no tokony hojerena ? «Tsara ny atao, manody ; ratsy atao, manody», hoy ny Malagasy. «Izay manao ratsy, tonga dia any amin’ny afo­be», hoy ny vahiny. Nitranga indray ny fanontaniana : «fa may sy kila any amin’ny afobe izany ireny mpilalao ody ireny» ? Rakotra ankamantatra ny fiainan’ny Malagasy.

Mila mitandrina fatratra ny Malagasy miaina izao vanim-potoana izao satria efa nianjadian’ny fiovaovana maro ny sasany amin’ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao malagasy. Ny fanaovana fanadihadiana eny ifotony no mety manala izany manontolo na farafaharatsiny amin’ny ampahany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: