Savorovoro politika : manomboka ny herisetra sy ny fifampihantsiana

Tsy vitan’ny fifanasana vangy sy fitakiana mamory vahoaka intsony ny hetsika politika na sosialy eto Madagasikara. Tonga any amin’ny fifampihantsiana sy fikasihan-tanana izany.

Romotra ny vahoaka! Voadaroka sy nendahin’ny olona ny lehilahy iray, mpamily Bajaj, niakanjo vonimboasary, nisy sarin’ny Filohan’ny Repoblika tany Sambava, omaly. Nosamari­ta­­han’ny fokonolona, naneho fa­hatezerana noho ny olan’ny lavanila izy. Ireto farany izay nandoro io vokatra io noho ny tsy fandraisana andraikitry ny fanjakana taorian’ny 15 andro nampanantenaina. Tsy eken’ny mpisehatra ny famerana ny vidin’entana sy ny fanaovana ampihimamba ny lalam-barotra ho an’olom-bitsy. Mano­loana izany, nandrangaranga fampitandremana tamin’ny pejy “facebook” i Rossy izay sady mpanakanto no depiote manoloana izany. Niantso fandraisana andraikitra avy amin’ny mpomba ny fitondrana izy. “Atsaharo ny fifampikasihan-tanana”, hoy ity mpanohana mahafatra-po ny filohan’ny Repoblika ity.
Etsy andaniny, nirefotra ny grenady mandatsa-dranomaso teny Vontovorona, oma­ly. Ni­ditra tao anatin’ny faritry ny “Campus” ny Emmo/Reg. Ni­sambotra ny mpianatra nitaky ny vatsim-pianaran’izy ireo. Nilaza ho nanenjika ny mpianatra avy nanao herisetra sy nandratra ary nangalatra saosisy ny mpitandro filaminana. Marihina fa nialoha an’io, nisy mpivarotra nosotasotaina sy norobain’ny mpitokona. Nite­raka fifanjevoana teo amin’ny lasibatra sy ny mpianatra izany. Nisy ny naratra!

Fifanitsahana andraikitra ?
Ankoatra ny fifanjevoana eny ifotony, tsy takona afenina intsony ny fifanitsahana andraikitra amin’ny samy ma­nampahefana. Tranga iray, na­namarika ny herinandro ny fanambarana nataon’ny lehiben’ny prefektiora tany Atsi­na­nana. Fanambarana toa ma­nosihosy ny hasin’ny fitsarana sy ny governemanta. Nomeny baiko ny vadintany rehetra any an-toerana tsy hiditra amin’ny fandroahana olona amin’ny tany na trano, niainga amin’ny didy avoakan’ny fitsarana. Nam­barany koa, tsy ekena ny fanomezana mpitandro filaminana hanampy ny vadintany amin’ny fanatanterahana di­dim-pitsarana, mialoha ny fifidianana filoham-pirenena.
Fanambarana niteraka resabe tamin’ny tambajotran-tserasera.
Misy anefa ny fanazavana mahakasika io fanapahan-kevitra io, araka ny sata mifehy ny asan’izy ireo. Indrindra amin’ny iraka ankinina aminy dia ny fitandroana ny filaminam-bahoaka amin’ny ankapobeny.
Vokatr’izay, mampitandrina ny amin’ny tsy tokony hitsaban’ny mpanatanteraka na ny tsindry samihafa atao ami­ny ny eo anivon’ny Sendikàn’ ny mpitsara (SMM). Mihenja­na izy ireo amin’ny fanajana ny hasin’ny asany. Mbola hanao fanambarana fanampiny ny sendika momba izany anio.

Lonilony
Anisan’ny mampirongatra ny fahatezerana sy ny fahasorenan’ny olon-tsotra ny fisian’ny mpitandro filaminana, manakana hetsika politika. Ny tsy fandriampahalemana sy ny asan-jiolahy, anisan’ny iraka manokana ho azy ireo anefa mirongatra izaitsizy. Mihaona amin’ny fiarovana ny andrimpanjakana sy ny mpitondra izy ireo. Mifanindran-dalana amin’izay, mainka mahazo vahana ny ankolafin-kery politika manohitra. Mihazaka­zaka ny fampivondronan-kery. Lonilony alohan’ny fifidianana avokoa izany.
Omaly, nanampy trotraka ny faharesen’ny Barea, nanoloana an’i Centrafrique. Rara­ka an-tany ny tsirim-panantenana hamerina indray ny firaisankinam-pirenena, miainga amin’ny “Barea”. Niteraka fahakiviana sy fahasosorana ho an’ireo mpijery sy mpankafy izany!

Synèse R.

Partager sur: