Jono tafahoatra : tandindonin-doza ny trondro lamatra

Manaitra ny Vondrona eo­ropeanina (UE) sy ny governemanta malagasy ny Fi­kam­banana tsy miankina amin’ny fanjakana, ONG, ao anatin’ny Fiarahamonim-pirenena (OSC). Miahiahy mafy izy ireo, satria « tsy misy mihitsy ny ezaka atao hampiatoana ny fanjonoana mihoampampana ny lamatra sy ny karazan-trondro mitovy aminy aty amin’ny Ranomasimbe In­diana (OI). Miantraika any amin’ny velon-tenan’ny mpanjono madinika malagasy izany ».
Hoy izy ireo, « tsy matotra ny firenena sasany mpikambana ao anatin’ny Vao­mie­ran’ny lamatra aty amin’ny Ranomasimbe Indiana (CTOI). Vaomiera tokony hitantana ny karazan-trondro mpifindra-monina ka hiady amin’ny fanjonoana mihoampampana. Tsy misy mihitsy ny fepetra fiarovana sy ny fitantanana (MCG) mahomby ». Miantraika any amin’ny tahirin’ny trondro anefa izany, efa nanomboka ny taona 2015, satria raofin’ireo mpanjono vaventy hatramin’ny lamatra mbola madinika.
Sambany nisy vahaolana

Nandritra ny fivoriam­ben’ny CTOI tany Mombassa Kenya? ny febroary 2023 teo, nisy ny vahaolana mafonja nankatoavina, hanatsarana ny fampiasana ny fitaovana mamoaka feo (DCP), hisarihana ny trondro hitangorona, mialoha ny hanaratoana azy. Mampiasa izany ny mpanjono indostrialy avy amin’ny Von­drona eoropeanina. Sambany nisian’ny fepetra toy izany, satria efa tena tafahoatra ny fanjonoana mihoampampana ny lamatra sy ny karazan-trondro mitovy aminy aty amin’ny Ranomasimbe In­diana. Notsindrian’izy ireo, fa mbola madinika avokoa ny 97%-n’ireo lamatra haratoan’ny mpanjono indostrialy, vokatry ny fampiasana ny fitaovana DCP.
Hanan-kery amin’ny ja­noary 2024 ity fanapahan-kevitra ity. Hisy ny fanakatonana ny fotoam- panjonoana, mandritra ny 72 andro, entina hanavaozana ny tahirin-trondro anaty ranomasina.

Njaka A.

 

Partager sur: