“Marina fa tsy ekena ireny karazana teny mita navoakan’ny minisiteran’ny Atitany ireny, izay lazaina hoe manohintohina ny fomba na ny fahalalahana maneho hevitra. Nefa tsy ny sehatra iraisam-pirenena no heverina hoe tokony hanome lesona antsika amin’ny toy ireny.” Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia, manoloana ny nambaran’ny Vondrona eoropeanina sy ireo masoivoho vahiny maromaro momba ny fepetra navoakan’ny minisitry ny Atitany ny amin’ny tsy fahazoana manao ny famoriam-bahoaka ankalamanjana.
“Tsy tsara toerana ny vondrona iraisam-pirenena ankapobeny hanome lesona antsika amin’ny hoe fikitikitihana na tsy fahalalahana ny fomba fanehoan-kevitra. Tsy miteny aho hoe mety ny nataon’ny minisiteran’ny Atitany. Tsy izay fa hoe: tsy sarotiny amin’ ny fiandrianampirenena ve isika?” hoy izy. Satria ve manohitra fitondrana na tsy eo amin’ny fitondrana dia mipiaka helika amin’ny toe-javatra toy ireny ny mpanao politika sasany?
Mila fampahatsiahivana ny fanarahan-dalàna
“Miandry izahay hoe inona no ataon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny?”, hoy ihany izy. Raha ny tena izy, tokony hisy fampahatsiahivana amin’ny fanarahan-dalàna hatao amin’ireo ambasadaoro miditra sy mitsabaka amin’ny raharaham-pirenena malagasy. Raha tsy atao izany, hataon’ny avy any ivelany fanao ny miditra sy mitsabaka amin’ny raharahan-tokantranon’ny samy Malagasy.
“Ho an’ny mpitondra fanjakana, tsy efa fotoana ve izao hamelana malalaka ny fanehoan-kevitra na amin’ny lafiny inona na inona?”, hoy izy. Anjaran’ny fanjakana ny mifehy an’izay amin’ny alalan’ny fampiasana ireo mpitandro filaminana. Azo fehezina amin’ny fiarovana azy ny fomba fanehoan-kevitra. Atao mazava tsara ny fitsipika sy ny lalàna tsy maintsy arahina amin’izany. Mitovy eo anatrehan’ny lalàna ny rehetra amin’izay, na mpitondra na mpanohitra. Mba tsy hisian’ny trangan-javatra toy izao miverimberina eto amin’ny firenena.
R. Nd.