Niova tanteraka : nosongonan’ny « sonia » ny soatoavina malagasy

Ny Malagasy, manana ny taniny, teniny, fombany, hasiny satany, sns. Nanana ny fiantraikany teny amin’ny fiarahamonina ihany koa anefa ny zava-nisy nolalovan’i Madagasikara. Fiovana tetsy, nambara ho « fandrosoana » teroa. Niezaka nampifandrindra izany tamin’ny andavanandrom-piainany ny Malagasy. Nihazakazaka, nandroso, nihemotra… Samy nanao izay ho afany ny rehetra.

Iray amin’ireo soatoavina niainana andro aman’alina teny amin’ny fiarahamonina malagasy ny tahotra ny tody. Nifanindran-dalana tamin’izany ny fifanajana ary ny fifampitokisana. Ireo no nitambatra, nampirindra ny fiarahamonina. Niteraka filaminana, sns.Nanomboka niditra ireo vahiny sy ny fo­rongony. Nitondra ny mom­ba azy sy ny fombany. Ni­fan­garo tamin’ny efa teto izy ireny ka nisy ny fiforonana fomba vaovao.
Nanjary tsy marim-pototra intsony ilay fiaraha-na­naiky fa «azy io tany io». Niova ho, «izay manana ny taratasy no tompon’io tany io». Niditra an-tsehatra ny «sonia» na ilay kisarintsarin-tsoratra milaza fa «ahy na azy, na antsika…» io tany io. Ny fifanekena natao ma­noloana an’i Zanahary sy ireo manan-kasina tandrify izany, tsy hita intsony teo amin’ny fiarahamonina ma­lagasy. Nosongonan’ny «so­nia». Ny «vita sonia» ihany no ambara fa manan-kery. Foana teo amin’ny Malagasy sasany ny hery hafa ankoatra ny herin’ny «sonia».

Nahazo vahana sy nanjakazaka fatratra ny « sonia »
Kisarintsarin-tsoratra mam­pi­di-doza satria mety hampiditra any am-ponja raha tsy voatandrina. Ireo mifanaiky kanefa tsy mifanao «so­nia», no nolazaina fa adala sy dondrona. Izay mitsipaka na tsy mahatanteraka ny fifanarahana tamin’ireo nanao sonia no nantsoina ho mpivadika amin’ny fanekena. Sazy voasoratra ao anaty lalàna no mihatra aminy. Tany aloha anefa, raha sanatriavina ka nisy ny nivadika tamin’ny fifanekena, hanody azy ny zavatra nataony. Tsy ho velon-komana ny taranany…
Nivadika any amin’ny fanaovana sonia na tsia, ilay fototra iray maha izy ny soatoavina malagasy. Niha­maivana tsikelikely ny fahafantarana ny tody sy ny tsiny, ny fifanekena, ny velirano, sns. Tsy fantatra rahateo ny fomba fanao sy tanterahina amin’ireny, hany ka tonontononin’ny vava fotsiny ihany sisa no handrenesana azy. Tsy misy hasiny sy lanjany intsony ka na efa mby an-koditra sy miharihary izao aza ny vokatry ny tsy fanajana ilay soatoavina, tsy fantatry ny Malagasy sasany akory.

Nifandrafy noho ny « sonia » ny mpiara-monina
Izay mivadika amin’ny « sonia », nataony, lasa rafy sy fahavalo. Ankoatra ny fampiharana ny lalàna (ho an’ny olona afaka hanaovana izany), nahitana sy miaina ao anatin’ny fifankahalana ny fiarahamonina malagasy. Raha hay sy fantatra ary nampiharina sy niainana anefa ny fanajana ny fifanekena natao, tsy ho tonga amin’io fikorontanana io ny rehetra. Mifano­hitra amin’izay. Na tsy sitrapon’ny andaniny na ny ankilany aza ny « hifamatotra », rehefa vita ny « sonia », mi­kambana tsy an-tsitrapo. Tranga samy tsy manaraka ny soatoavina malagasy ireo.
Raha mbola tsy tonga eo amin’ny fanaovan-tsonia ny « raharaha », afaka mivadibadika araka izay tiany hatao ny mpifanaiky. Notsaraina ho loza tsy roa aman-tany ny fi­vadi­hana aorian’io fametahana sonia io. Tonga nanana lanja lehibe lavitra noho ilay fanahy maha olona ny sonia. Mbola maro amin’ny Mala­ga­sy, anefa, ny tsy mahay mitazona penina. Tranga manome vahana ireo mahay taratasy hifandrafy amin’ny tsy mahay !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: