Hanomboka ny fanondranana harena an-kibon’ny tany eto amin’ny Nosy. Nohamafisin’ny tale jeneralin’ny Fadintseranana, omaly, fa misy ny lalàna ao amin’ny tetibola mikasika ny fahazoan-dalana manao izany.
«Voafehin’ny lalàna ao amin’ny tetibolam-panjakana 2023 ny mikasika ny fahazahoan-dalana (droit de sortie) izay alaina amin’ireo fanondranana vatosoa eto amintsika», hoy ny tale jeneralin’ny fadintseranana, i Lainkana Zafivanona Ernest, omaly. Nilaza izy fa 1 hatramin’ny 1.5 dolara isaky ny kilao ny fampahafantarana izany. Tsy mampahafantatra ny tena lanja marina amin’ny fanondranana izay ataony ny mpanondrana sasany eto amin’ny Nosy ka antony nanaovana izao. “Vao nahitana fanondranana vato sarobidy 23 kg tany Mahajanga, afakomaly, nefa tsy mifanaraka amin’ny lanjany akory”, hoy izy. Nilaza izy fa anisan’ny mampidi-bola ho an’ny kitapombolam- panjakana ny fanondranana vato sarobidy.
Ankoatra izay, manara-maso ny karazan’entana mivoaka, ny kalitao, ny lanjany ary ny niaviany ny fadintseranana. “Fitaovana ampiasaina hanatanterahana ny politika hanatsarana ny toekarena ihany koa ny antom-pisiany”, hoy hatrany ny tale jeneralin’ ny fadintseranana.
Tetikasa telo fanatsarana ny asa
Natomboka, omaly, tetsy Ambodivona, ny tetikasa telo hanatsarana ny rafitry ny fadintseranana eto Madagasikara. Fiaraha-miasa eo amin’ny governemanta koreanina sy ny fanjakana malagasy. Tanjona ny hanatsarana ny fitantanana ny fadintseranana malagasy. Mba hampitomboana ny fidiram-bola sy ny fifaninanana eo amin’ny sehatra tsy miankina eto an-toerana. Vatsian’ny governemanta koreanina vola mitentina 5.163.000 dolara izany.
Miompana amin’ny fampivoarana ny fanavaozana ny rafitra sy ny fitantanana rehetra eo anivon’ny orinasa ny tetikasa. Mba hampiverina ny fahaiza-manao sy ny hanohanana ary hanitarana ny fampiasana ny teknolojia avo lenta.
Anisan’ny jerena ihany koa ny lafiny maha olona sy ny lafiny tekinika toy ny fanofanana sy ny fifanakalozana traikefa.
Tsiahivina fa efa eto Antananarivo ireo manampahaizana telo avy amin’ny delegasiona koreanina nanomboka afakomaly. Mba hanaraha-maso ny fizotry ny tetikasa. Manamafy ny fiaraha-miasa eo amin’i Korea sy i Madagasikara ihany koa ny tetikasa, raha ny fanazavana voaray. Nohamafisin’ny governemanta koreanina fa antoka iray mampilamina sy mampivoatra ny lafiny toekarena ny tetikasa toy izao.
Mino (mpianatra asa)