Rehefa vandana dia kary

Manao ranolava ny tifitra sy ny fanaovana fahirano ny olon-dratsy ataon’ny mpitandro filaminana tato ho ato. Miezaka ny manadio sy mitady ny fomba rehetra hifehezana ny toe-javatra tsy manjary na ny polisy na ny zandary, eny fa hatramin’ny mi­aramila any ambanivohitra rehetra any. Betsaka ny jiolahy tsy tafavoaka velona mandritra ny fifanjevoana sy ny fifampitifirana. Maro ny fitaovam-piadiana tratra sy voageja.
Manoloana izany, manomboka miseholany indray ny fana­kianana ataon’ny olon-tsotra momba ny fihetsiky ny mpitandro filaminana. Misy hatrany ny mivoy ny zon’olombelona. Man­drangaranga ny zo fototra hatao fanadihadiana sy hiatrika ny raharaham-pitsarana, ary indrindra ny zo tsy maha meloka raha tsy misy didy. Ireo miady ho an’ny vahoaka sy ny fiarovana ny fananany indray no mahazo tsiny.
Iaraha -mahalala anefa, asa sarotra sy mihatra aman’aina ny an’ny mpitandro filaminana. Tsy misy safidy afa-tsy ny miarotena na maty mandritra ny fifampitifirana. Tranga iray nanaitra, omaly, ny tao Toamasina. Atoandrobe nanahary no mitifitra sy manao izay danin’ny kibony ny jiolahy. Nanakoako tao ampovoan-tanàna ny poa-basy, izay natrehin’ny mpanao gazety. Maro no lavo tamin’ny olon-dratsy. Ankoatra ny risika amin’ny asa, tsy azo hadinoina ihany koa ny tebiteby na fitaintainan’ny vady aman-janaka. Mety ho kamboty tsy fidiny anatin’ny indray mipi- maso.
Mety hilaza isika fa safidiny izany, asany andavanandro hanakaramana azy ka tsy tokony hisy ny famonoana ny olon-dratsy. Fiheveran-diso avy amin’olona tsy mbola sendra izay mangidy sy nataon’ny olon-drasy nahita faisana izany. Mora ny miteny sy ny manakiana rehefa mbola tsy mahavoa ny tena. Toetra sy fomba fisain’ny Malagasy rahateo, ity fanaovana vain-drahalahy tsy maharary ity.
Ekena fa misy ny lalàna sy ny sata mifehy ny asan’ny mpi­tandro filaminana. Manameloka ny famonoana fahatany olona ny lalàna malagasy. Nanao sonia ny fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona rahateo i Madagasikara ka rariny sy hitsiny ny fisian’ny mpisintona lalokosy. Heverina fa mitovy amin’ny fitsaram-bahoaka ihany ny tifitra atao amin’ny olon-dratsy tokony hiatrika famotorana sy fitsarana. Tsy azo hadino anefa fa misy foana ny tranga maningana sy tsy azo hanoharana.
Tsy tokony ho mailaka, araka izany, ny sokajin’olona sasany, amin’ny fiampangana be fahatany ny mpitandro filaminana. Iaraha-mahalala fa ny jiolahy no manana fitaovam-piadiana mahery vaika kokoa noho izy ireny. Mazava ny tenin’ny sekreteram-panjakan’ny Zandarimaria, tamin’ny taon-dasa, mahakasika ny fisian’ny basy mahery vaika sy marika tsy mbola ananan’ny polisy na zandary na miaramila.
Mila fijery tsy mitanila hatrany ny fitsarana fomba fiasan’ olona izatsy na izaroa. Tsy misy ny tonga lafatra saingy misy ny tsy azo leferina ihany koa indraindray. Mazava ho azy fa tsy misy koa ny ambonin’ny lalàna fa izay mihoa-pefy, na izay vandana dia kary. Mendrika ny ho saziana sy hampiharana ny lalàna na heverina ho tompom-pahefana aza !

r.r

Partager sur: