Mila voatsiary!

Resabe tao amin’ny tambajotran-tserasera ny mikasika ny famoahana pasipaoro eny amin’ny polisim-pirenena Anosy. Nitombo ny fepetra sy ny antontan-taratasy ilaina mba ahafa­hana misitraka izany. Nitondra fanambarana miezinezina mihitsy ny tomponandraikitra voalohany, lehiben’ny sampandrahara­han’ny fanaovana pasipaoro. Fanazavana izay niteraka fana­kianana mavaivay, indrindra amin’ny voalazan’ireo mpitsikera sy mpanao fanamarihana fa tsy fahafehezana ilay asa sy ny lalàna mifehy ny fanomezana pasipaoro. Tahirin-kevitra izay ilaina sy ananan’ny olom-pirenena zo feno ny fakàna azy, amin’ny fotoana rehetra. Tsy mijanona amin’io teboka iray io ny tsindrom-paingotra fa miitatra any amin’ny firongatry ny kolikoly iniana volena. Betsaka ireo nitaraina fa zary tsy mahita ravinavaratra, satria iangarana izay “manome kely”.
Samy tsy misy mitondra porofo mivantana na sahy mijoro ho vavolombelona ny mpanontsana sy ny mpisintona lakolosy. Matoa anie mivoaka ny resaka, ny vy tsy mikitrana irery. Nia­raha-nahita rahateo ny zava-niseho vao niverina tamin’ny laoniny ny fanomezana pasipaoro : olona telo, mpanera, no voasambotra. Ny minisitry ny Polisy sy ny filaminana anatiny rahateo efa nikabary fa tsy hilefitra amin’izany. Inona ary no andrasana ka mampihenahena ny tomponandraikitra amin’ny fanaovana pasipaoro amin’ny fanomezana malalaka izany toy ny teo aloha? Ny hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha! Mampametra-panontaniana tokoa ny zava-miseho. Inona ny olana? Inona ny fototr’olana ? Mitaky mangaraharaha amin’ny manam-pahefana. Izay no vahaolana amin’izao fifanjevoana izao.
Ny heloka ibabohana mody rariny anie. Maninona izao raha havoaka ny ampahany amin’ny tsiambaratelo mikasika ny fifa­na­rahana eo amin’ny governemanta malagasy sy ilay mpamo­katra ny pasipaoro? Iza no tsy mahalala fa misy foana hatrizay ny olana teo amin’ny roa tonta, indrindra ny fandoavana ny volan’olona. Izay no anisan’ny Antony nampiakarana ny sandan’ny fanamboa­rana izany.
Amin’ny ankapobeny, filam-boatsiary, hialana andraikitra no ataon’ny tomponandraikitra sasany. Mitady hirika hanarontsaro­nana ny tsy fahafehezana ilay olana. Tsotra anefa ny vahaolana: mangarahara sy fitsorana. Tsy adala ny vahoaka malagasy, ka tsy hanaiky lamina rehefa mazava ny fitsipi-dalao. Amin’izao fotoana izao, anisan’ny mahita faisana amin’ny ankinafinafina ny mpanao gazety mba te hanampy amin’ny famahana ny olana amin’ny famoaham-baovao marina. Ohatra iray, sady nahakivy no naha­so­rena ny fifanilihana andraikitra ataon’ny manam-pahefana raha nanontaniana ny dingana vita momba ilay tolobidy iraisam-pirenena momba ny fanamboarana pasipaoro. Efa tamin’ny taon-dasa no noraisana tao amin’ny filan-kevitry ny minisitra ny momba izay, nambara fa hisokatra ny fanaovana tolobidy. Hatra­min’izao, mitady izay filazana tolobidy fa tsy mahita. Raha nanon­taniana ny teo anivon’ny sekretera jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika mikasika izany dia nampivezivezy ny mpanao gazety fotsiny fa tsy nahazoam-baovao. Mirindrina tahaka izany koa
ny eny amin’ny polisim-pirenena. Lasa ny saina, vaka ny fanahy hoe : inona marina no afenina fatratra ao e? Sintona lakolosy toy ny sintona lakolosy mahazatra ihany no hatao anio. Mino sy matoky anefa ny Malagasy fa hisy fanazavana teknika misimisy kokoa sy mangaraharaha tanteraka momba ity resaka iray ity. Tsy tokony ho hadinoina fa ny tranga tahaka itony no zary singam-bolo mandavo ny vositra ho an’ny manontolo iray antsoina hoe “Fitondrana”.

r.r

Partager sur: