Fotoan-dehibe ho an’ny eto Imerina ny fotoanan’ny Alahamadibe. Nankalaza izany avokoa ny vohitra masina misy ireo Raiamandrenibe. Ankoatra ny teny Mangabe, nanao fankalazana ihany koa ny teny Ambohimanga Rova sy ny Zanadranavalona teny Anosimanjaka.
Nanatontosa ny fankalazana ny tsinambolan’ ny Alahamady, ny alakamisy 20 avrily 2023, teny Mangabe, ny vondron’olona mandala sy mitandro ny fomban-drazana. Nisy ny fanatanterahana ny fomba rehetra fanao rehefa fotoan-dehibe sahala amin’izao. Tanjona ny hitazonana sy hameloma-maso ny fomba fanao sy ny kolontsaina malagasy. Nanatanteraka izany fankalazana izany ny teny amin’ireo vohitra hafa ankoatran’ny teny Mangabe.
“Tsy mamorona fa mamelo-maso”, io ny teny filamatra entin’ity vondron’olona mandala sy mitandro ny fomban-drazana ity. Vondron’olona mpandala ny Alahamadibe, ahitana ny olona manodidina ny 70 no nanao ny fankalazana izany Alahamadibe izany teny Mangabe. “Mifanome fotoana sy tonga ety amin’i Dadabe Andriantsivongo, mpanandron’Andrianampoinimerina, ny valalabemandry, midio sy maka ny hasim-panahy, ao anatin’izao Alahamady, tonontaona fisandratana amin’ ny hasim-panahin’ireto raiamandreny manankasina ireto izao”, hoy Ramose Lora, mpanazary eny amin’ny vohitra Mangabe. Fandrona no nanokafana ity fankalazana ity. Niditra tamin’ny fafirano sy tsitsika ary fanomezana hasina ny rehetra tonga teny, rehefa vita ny fidiovana. Ny vono omby sy ny fanaovana ny tentina kosa no fandaharam-potoana nanaraka ireo, narahin’ny fanaovana ny dihin’ny Ntaolo. Namaranana ity fankalazana ity ny zarahasina sy ny tsodrano.
Misy ny fidiovana mialohan’ny zavatra rehetra, mba hahamendrika ny olona iray ho afaka mankalaza izany fotoan-dehibe izany. Ho an’ny fafirano sy tsitsika ary fanomezana hasina indray, fifamelana sy fifampirariana soa no tena heviny. Misy ihany koa ny vono omby sy fanaovana tentina. Rehefa amin’ny fotoana sahala amin’ireny, joro no fiantso ny famonoana
biby ho fanandratana ny hasina sy ho mariky ny fankalazana ny Alahamadibe. Ho an’ny tentina kosa, izay nanosorana ny ran’omby novonoina teny amin’ny andriana, mariky ny fizarana ny hasina izany.
Lin (Mpianatra asa)