Fampiroboroboana ny toekarena: 95 %-n’ny kaontenera ao Toamasina

Manana anjara toerana le­hibe amin’ny toekarena eto Ma­dagasikara ny seranan-tsam­bon’i Toamasina, lehibe indrindra. 63 ha mbola nitarina. 640 tapitrisa dolara ny tetibidin’ny asa fanamborana, nahazoana famatsiam-bola avy amin’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena japoney (Jica), 411 tapitrisa dolara averina anatin’ny 40 taona ; ny ambiny avy amin’ny fanjakana malagasy. Mian­draiki­tra ny tetikasa ny APMF (1) sy ny SPAT (2).
Hampitombo avo telo heny ny fahafahan’ny seranana mi­asa ny tetikasa fanitarana. Na­tomboka tamin’ny 2018 ny ampahany voalohany amin’ny asa, izay vita tamin’ny tapaky ny taona 2021. Azo ampiasana io ampahany voalohany io. Efa mandeha ny asa amin’ny tapany faharoa izay tokony ho vita amin’ny 2026.
Ao Toamasina ny 95 %-n’ny fivezivezin’ny kaontenera eto Madagasikara, miantoka ny 80 %-n’ny varotra iraisam-pirenena. Tombanana ho 1,7 tapitrisa t ny entana mitontona isan-taona ao Toamasina.
Ankehitriny, i Chine no ifanakalozana ara-barotra be indrindra. Maharitra 21 hatramin’ny 30 andro eo ho eo ny fandehanan’ny sambo iray mampitohy an’i Chine sy i Madagasikara.

Nanatontosa : R. Mathieu
APMF (1) : Agence portuaire maritime et fluviale
SPAT (2) : Société du port autonome de Toamasina

Partager sur: