Anisan’ny ady voalohany amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana ny famokarana anatiny. Voatonona anatin’izany ny fampiroboroboana ny fambolena sy ny fizarana ireo teknikam-pambolena ho an’ny tantsaha. Tafiditra amin’izay koa ny fizarana zezika sy masomboly hahafahan’izy ireo mampitombo ny famokarana. Hisy fiantraikany betsaka eo amin’ny lafiny toekarena izany hisorohana ny fiakaran’ny vidim-piainana.
“Tsy mbola hihoatra ny 10% ny tahan’ny fiakaran’ny vidim-piainana amin’ity taona ity, raha ny vinavin’ny talen’ny ivontoeram-pirenena misahana ny antotanisa” (INSTAT). Nambarany fa hahafahana mifehy ny vidim-piainana ihany koa ny fampihenana ny fanafarana entana avy any ivelany. Araka izany, ampirisihina ny rehetra hampitombo ny famokarana anatiny sy ny fanodinana ny vokatra eto an-toerana ihany.
Nosy manan-karena i Madagasikara saingy olana lehibe mampihisatra ny famokarana ny tsy fifehezana ny fanodinana vokatra. Ankehitriny, manomboka mandraharaha eo amin’ny fanodinana vokatra azo avy amin’ny fambolena ny Malagasy. Natao izany hanomezan-danja ny vita malagasy izay tsy mena-mitaha ny amin’ny avy any ivelany.
Ankoatra izay, “tokony hampitomboina ny fanondranana ny harena an-kibon’ny tany hampiakarana indray ny lanjan’ny vola malagasy. Mampidi-bola betsaka amin’ny kitapom-bolam-panjakana izany. Ny fanjakana rahateo efa nampahafantatra fa misokatra amin’ny fanondranana volamena mankany ivelany isika. Na izany aza, mila arahi-maso ny vola vahiny miditra eto an-toerana”, hoy hatrany ny tale jeneralin’ny INSTAT.
Henintsoa Hani