Tsy ara-dalàna ny fitantanana fotodrafitrasa eny anivon’ny boriborintany sasany eto Antananarivo. Mpitantana “bloc sanitaire” 71 ihany no nahafa-po amin’izany. Manampy amin’ny fanaraha-maso izany ny fanaovan-tsoniam-piaraha-miasa, natao omaly.
Vita omaly, tetsy amin’ ny Lapan’ny tanàna Analakely, ny soniam-piaraha-miasa teo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo mpitantana “borne fontaine” sy “bloc sanitaire”. Nisitraka izany ireo fikambanana mpitantanana fotodrafitrasa 400 mahery avy amin’ny boriborintany 6. Nanatrika izany ny ben’ ny Tanàna Antananarivo, Andriantsitohaina Naina, sy ny mpiara-miasa aminy. Tanjona ny hisian’ny fitantanana madio sy mangarahara lavitry ny kolikoly mba hampadio ny tanàna tsirairay avy, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra.
« Fikambanana mpitantana bloc sanitaire 71 amin’ny 140, avy eto Antananarivo, ihany no nahafa-po ny fomba fitantanany », hoy ny filohan’ ny vaomiera tsara tantana eo anivon’ny kaominina Antananarivo, Ravololomanana Lalatiana. Nasaina nataon’ny mponina eny anivon’ny fokontany ny fitantanana ny fotodrafitrasa amin’ny alalan’ ny « Association des usagers de l’eau » nanomboka ny taona 1996. Betsaka ny tsy fanarahan-dalàna teny ifotony, tsapa sy hitan’ny kaominina nandritra ny iray volana. Nanjavona avokoa ny fikambanana voasoratra anarana, mitantana ny fotodrafitrasa. Lasa fianakaviana no mitantana azy ireny… “Manoloana izany, natao ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa mba hahafahan’ ny kaominina manara-maso ny fitantanana eny ifotony”, hoy hatrany izy.
Hisy filazana aorian’ny fanaovan-tsonia
Nilaza izy fa rariny raha ho tapaka ny rano eny amin’ ireny “borne fontaine” ireny rehefa tsy voaloan’ny mpitantana ny faktioran’ny Jirama. Takin’ny kaominina hangarahara ny fitantanana ny fotodrafitrasa. Takina ihany koa ny hanefana ny vola tandrify azy ireo, mba hahafahana mampandroso ny tanàna. Ankoatra izay, tokony harahina ny fitsipika rehetra, ny mpanjifa, ny mpampiasa vola ary ny fikambanana.
Tsiahivina fa hisy filazana ny tokony hamerenana ny fitantanana ho amin’ny kaominina aorian’ny fanaovan-
tsonia, raha ny fanazavana. Hidina ny fotodrafitrasa ary raisin’ny kaominina an-tanana avy hatrany ny fitantanana izany, raha sanatria tsy voaloan’ny mpitantana eny ifotony ny faktiora. Tokony hanana jiro sy rano madio fisotro ny tokantrano tsirairay avy, raha ny vinan’ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo. Tsy hionona amin’ny “borne fontaine” ihany ny kaominina fa hiezaka hampiditra jiro sy rano ho an’ny tokantrano.
Mino (mpianatra asa)