14 500 ny isan’ny rasazy voasoratra anarana ho mpikambana ao anatin’ny holafitry ny mpampivelona eto Madagasikara, hoy ny filohan’ny holafitra, Ranoromalala Oméga, omaly teny Ivato. Tokony miditra ho mpikambana avokoa ireo mpianatra vaovao nahazo ny diplaoma licence, taorian’ny fianarana telo taona na Master raha mbola nanohy, araka ny voafaritry ny lalàna. Tsy afaka manatanteraka ny asan’ny mpampivelona raha tsy tafiditra ho mpikambana ao amin’ny holafitra. Araka ny antontanisa nivoaka ny taona 2018, rasazy iray misahana olona 10 200 eto amintsika, raha tokony ho rasazy iray mikarakara olona 5000 no fenitra napetraky ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS). Mpampivelona avokoa ny 32,4% amin’ny mpiasan’ny fahasalamana.
Tsy ampy ny rasazy am-perinasa ary matetika miasa 24 ora tsy miato mandritra ny taona izy ireo, indrindra any ambanivohitra, satria mitazona CSB I nefa tsy misy mpanampy. Manginy fotsiny ny tsy fandriampahalemana ka mampitaintaina rehefa miasa amin’ny alina. Roa isan-taona ny tranga tsy fandriampahalemana mihatra amin’ny rasazy, araka ny tatitra azon’ny holafitra.
Miasa an-tsitrapo
Misy ireo rasazy nisafidy ny hiasa any ivelan’i Madagasikara. Tao anatin’ny telo taona, 15 eo ho eo ireo mila ravinahitra lavitra ka anisany ny any Kanada. Eto amintsika rahateo, voafetran’ny poste budgetaire, voafaritry ny fanjakana foibe, ny isan’ny mpampivelona raisina isan-taona hanatevina ireo efa am-perinasa. Ho an’ny mpianatra nivoaka teny anivon’ny sekoly tsy miankina, nikarakara fanadinana handraisana azy ireo hiasa eny amin’ny tobim-pahasalamana miankina amin’ny fanjakana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Afaka niasa nanampy ny mpiasan’ny fahasalamana koa izy ireo mampihodina ny toeram-pitsaboana ary tsy mandray karama (miasa an-tsitrapo) fa manamafy ny traikefa.
Vonjy A.
Nomarihina nandritra ny roa andro, teny Ivato, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpampivelona, nifarana omaly. Hiaraka indray ho porofo amin’ny zava-misy ny lohahevitra nosafidiana tamin’ity taona ity. Nisy ny fifampizarana traikefa sy fanamafisana ny fahaiza-manao tao anatin’ny fivoriana. Nampahafantarina ireo rasazy ny tranga tokony hitandremana eo am-perinasa sy ny fandraisana ireo mpiteraka rehefa hiditra eny amin’ny tobim-pahasalamana.