Mijaly am-panambadiana: 4 taona niaretana herisetra, daroka i Roger sy Maharitra

Tranga matetika, ny vehivavy no tena iharan’ny herisetra amin’ny endriny samihafa eto amintsika. Noho ny fanentanana marobe nataon’ny ONG tao anatin’ny taona maromaro, efa miandahy miambavy ny famakiana bantsilana ny zava-misy. Rehefa tena feno ny kapoaka, tonga eny amin’ny ivontoerana eny Mahamasina ireo lehilahy niaritra an-taonany herisetra ao anaty tokantrano.

Tolo-kevitra avy amin’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika sady filohan’ny fikambanana Fi­tia, Rajoelina Mialy, no nananganana ny ivontoerana miady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy, Fitia, eny Mahamasina, ny taona 2019. Enina ny sampandraharaha miasa ao anatiny : vondron’ny mpisolovava, brigade féminine de proximité (BFP), fihainoana sy torolalana ataon’ny mpisehatra sosialy avy amin’ny minisiteran’ny Mponina, sampandraharaha ahitana ny police des mœurs et protection des mineurs (PMPM), mpitsabo mandray an-tanana ny fahasalamana sy ny tolotra fitsaboana vonjy aina ary ny psychologue. «An­koatra ireo, miara-miasa amin’ny service de la protection des enfants et des mœurs de la gendarmerie (SPEM) ny ivontoerana», hoy ny tomponandraikitra lefitra misahana ny ivontoerana, Rakotomavo Norohanta.
Maimaimpoana ny fiarovan’ny mpisolovava ny olona niharan’ny herisetra mandritra ny fitsarana raha tonga hatrany ny raharaha. Manome torohevitra mikasika ny lalàna mifehy ny fanaovana herisetra koa izy ireo. Manatona ny BFP indray ny mpitaraina niharan’ny herisetra raha vonona ny handamina ny raharaha. Tsy tafiditra ao kosa ny tranga fanolanana izay tsy azo hanaovana raharaham-pihavanana mihitsy. Rehefa tsy vita eto ny raharaha, alefa ao amin’ny PMPM izay ma­nao fanadihadiana ary mitondra ny tranga eny anivon’ny fitsarana. Mihaino ny fitarainana sy manoro ny dingana tokony harahina ny mpisehatra sosialy. Manamarina ny fisian’ny herisetra amin’ny fizahana ara-pahasalamana ireo mpitsabo ary mitondra ny vonjy aina. Alefa mivantana eny amin’ny Centre Vonjy eny Anosy ilay olona raha niharan’ny fanolanana. Sam­pandraharaha mihaino sy manao tantsoroka ara-tsaina ny psychologue. Arakaraka ny tranga ny faharetan’ny fandraisana an-tanana. Indrain­dray mahatratra 20 ny isan’ny fihaonana miaraka amin’ny psychologue.

Lehilahy efatra nitory teny amin’ny ivontoerana
Nanomboka ny volana janoary ka hatramin’ny avrily lasa teo, 588 ny olona nanatona ny ivontoerana nitaraina noho ny herisetra nianjady taminy. Efatra tamin’ireo no lehilahy fa vehivavy avokoa ny ambiny. Nitory avokoa izy efatra noho ny herisetra ara-tsaina : fampirafesana, fampihorohoroana sy fanambaniana ary fandrahonana. Amin’ny ankapobeny, lehilahy very asa na tsy ampy fidiram-bola mihoatra amin’ilay vehivavy no iharan’ny herisetra. An-taonany maro niaritra herisetra ilay lehihaly ka rehefa tena tsy zakany intsony vao mitondra ny fitarainany eny anivon’ny ivontoerana miady amin’ny herisetra izy.
Amin’ireo olona 588 nanatona teny Mahamasina, 80 no nandalo tao amin’ny BFP, 47 nila ny torohevitra sy fandraisan’ny mpisolovava, 168 noraisin’ny mpisehatra sosialy an-tanana, 236 nametraka fitoriana tao amin’ny PMPM, 30 nanatona tao amin’ny mpitsabo ary 27 nihaona tamin’ny psychologue. Ny herisetra ara-tsaina sy ara-moraly no maro anisa, 368, manaraka ny herisetra ara-batana, 252, herisetra ara-toekarena nahatratra 242 ary ny herisetra ara-pananahana 78. Tao anatin’ny efa-bolana, 940 ny tranga voarain’ny ivontoerana.

Manakarama zandary hidaroka an’i Roger ny vadiny

Niaritra herisetra efa ho 4 taona mahery tao an-tokantrano i Roger, 58 taona, mipetraka any amin’ny faritra, raha nanaovana fanadihadiana, omaly. Tsy nahazaka niaritra izany intsony izy ka nanatona teny anivon’ny Association Fitia eny Mahamasina, tamin’ny herintaona. Nanao fitarainana mba ahafahany manatanteraka ny fisaraham-panabadiana eo amin’izy roa tonta ny tanjony, raha ny nambarany.
“Tsy nanana na inona na inona izahay, niara-nitady, niara-nihafy mba hahatafita anay teo amin’ny fiainana vao nanomboka niaraka”, hoy izy. Nilaza izy fa nivadika ny toetran’ny vadiny rehefa nivoatra be ny fiainan’izy ireo, taona maro taty aoriana. Nanom­boka teo ny herisetra. “Fa­nambaniana, eson-teny, tsy fanomezam-bola, fampirafesana, ary toy ny mpiasa no itondrany ahy ao an-tokantrano”, hoy izy.
Ankoatra izay, rahonany hovonoina sy hogadraina aho tamin’ny fotoana nipetrahako tamin’ny tranonay anankiray. “Nandefasany mpitandro filaminana tao an-trano aho, nanala sy namono ahy tamin’izany”, hoy izy.
Nilaza izy fa nanampy azy nipetraka sy afaka niditra tamin’ny tranony ny fikambanana. Mangataka ny tomponandraikitry ny fitsarana izy hanome ny taratasy manamarika ny fisaraham-panambadiana sy hizarana ny fananana rehetra. Nohamafisiny fa mampiasa ny herin’ny vola io vadiny io handetehana sy hamotehana azy. Efa eny anivon’ny fitsarana ny raharaha amin’izao fotoana izao.

4 taona niharan’ny herisetra i Maharitra

Telo taona nivadiana no nanomboka niharan’ny herisetra i Maharitra, monina eto Antananarivo. Efa-taona niaretana izany izy vao tonga nanatona teny amin’ny ivontoeran’ny Association Fitia, Mahamasina tamin’ity taona ity. Sady nizara ny herisetra nihatra taminy izy no nametraka fitoriana. Vono sy ratra, ary fampirafesana no niainany. Manginy fotsiny ny tsy famelana azy hiasa. Vokany, nizakana fanambaniana sy fandatsana izany. Nandritra ny efa-taona ngarangidina ny afo-beny.
Efa eny anivon’ny fitsarana ny raharaha amin’izao fotoana izao. Nitory i Maharitra fa tsy mitady raharaham-pihavanana intsony. “Niaritra hatrany aho hatramin’izay fa tiako izy nefa sao hihatra aman’aina ny herisetra mahazo ahy amin’ ny farany. Aleo mandray fanapahan-kevitra hentitra. Lasa misy fiantraikany amin’ny zanakay rahateo ny herisetra satria tsy voakarakara izy ireo. Rehefa vita ity raharaha ity ka ambaran’ny fitsarana fa tsy mpivady intsony izahay manoloana ny lalàna, hanomboka fiainana vaovao aho lavitry ny herisetra” , hoy izy.
Efa misara-toerana izy mivady. Samy manana ny fiainany mandra-piandry ny didy avy eny amin’ny fitsarana. Vady vita soratra ara-dalàna nohamasinina tany am-piangonana izy roa.

Fanadihadiana : Vonjy sy Mino
Sary: Fanou

Partager sur: