Olona diabetika : aretin’ny fo sy ny lalandra no mahafaty ny 60%

Nitondra fanazavana ny Dr Raherison Rija Eric, endocrinologue, interniste, eo anivon’ny hopitaly Befelatanana (CHUJRB), mikasika ny karazana diabeta mateti-pitranga izay mahavoa ny ankama­roan’ny olona amin’izao fotoana.

Nasongadiny tamin’izany fa ny aretin’ny fo sy ny lalandra no mitarika ny 60%-n’ny fahafate­san’ireo olona diabetika. Vokatry ny fiakaran’ny tahan’ny siramamy maharitra ao amin’ny ra ny diabeta. Lasa toe-batana io na toe-tena ary tsy sitrana saingy tsy maintsy alamina mba tsy hitarika
amin’ny fahasarotana.
Tsy fahatomombanan’ny fanamboaran’ny sarakaty ilay tsirim-panentana antsoina hoe insuline no mahatonga ny diabeta. Tsy afaka miasa araka ny tokony ho izy io insuline io. Hormone iray toy ny fanalahidy manokatra ny sela haha­fahan’ny siramamy miditra mivantana anaty sela ka hivadika ho angovo ny insuline.
Rehefa tsy ampy io insuline io dia mihandrona anaty ra fotsiny ny siramamy ka mahatonga ny hyperglycémie chronique na fiakaran’ny tahan’ny siramamy maharitra anaty ra.
Misy karazany maro ny diabeta fa ny sokajy 1 sy sokajy 2 no tena matetika mpahazo ny olona. Ny diabeta sokajy voalohany dia diabeta vokatry ny fikorontanan’ny hery fiarovan’ny vatana. Ma­nimba ny selan’ny sarakaty izany ka tsy hahafahan’ny sela mamorona insuline.
Ny tanora sy zaza ary ireo latsaky ny 35 taona no tena tratran’io diabeta sokajy voalohany io. Tombanana eo
amin’ny 5 ka hatramin’ny 10%-n’ny diabetika maneran-tany no diabetika sokajy 1.

Misoko mangina
ny diabetika sokajy 2
Ny diabeta sokajy faharoa kosa dia vokatry ny tsy fahatomombanan’ny fiasan’ny insuline amin’ny sela ary ny tsy fahatomombanan’ny fa­mokaran’ny sarakaty ny insuline. Ny fahanterana, ny hatavezana, ny tsy fandanjalanjana sakafo ary ny tsy fihinanana sakafo ara-pahasalamana, ny tsy fampiasana vatana loatra, ny fananana diabeta gestationnel no anisan’ny mitarika io diabeta io. Manaranaka ny diabeta sokajy faharoa. Tom­banana eo amin’ny 90%-n’ny diabetika maneran-tany no manana io sokajy faharoa io.
Matetika tsy misy fambara ny diabeta sokajy faharoa. Rehefa misy fambara indray anefa ny diabeta dia mivalan-drano matetika ny olona iray, mangetaheta lava, maina ny tenda, mazoto homana be kanefa miha mahia ary miha reraka. Rehefa tonga ny fahasarotana dia mety hanjavozavo ny fahitana, volivoly na dontodonto na mamaivay ny ratsam-batana. Mety tsy ma­hateny tampoka, mety hanaintaina be ny tratra, mety ho sempotra, mivontovonto, mety harary ny tongotra, mety hisy fery tsy mety sitrana. Mitarika amin’ny tsy fahatsiarovantena mihitsy izany.

Azo sorohana ny diabeta
Azo sorohana ny diabeta indrindra ny sokajy faharoa. Tsy tokony hatavy ny olona, miezaka manahena lanja ireo efa matavy. Miezaka mandanjalanja sakafo ara-pahasalamana, tsy mihinana sakafo mendy be , mamy be, matavy be, sakafo indostrialy… Mila mampihetsika vatana 30 mn isan’andro. Mitsangana isaky ny 30 mn ireo miasa mipetraka lava ary mandeha dia an-tongotra mandritra ny 5 mn. Tsy tokony hisotro toaka ihany koa.
Rehefa miohatra ny 40 taona ny olona iray na dia tsy misy fambara aza dia tokony hanao fitiliana diabeta. Toy izany koa ny olona matavy na firy taona na firy taona dia tokony manao fitiliana diabeta. Tsy tokony hanao dokotera tena fa manaraka ny toromariky ny mpitsabo. Amin’ny alalan’ny fitiliana ra ihany no hahafantarana ny diabeta. Raha miakatra tsikelikely ny siramamy mandritra ny fotoana ela dia mety hanentsina ny lalan-dra amin’ny vatana ka manimba ny taova sarobidy toy ny voa, atidoha, fo, retsika, tongotra….
Matetika mora voan’ny otrikaretina ny olona diabetika.

Tatiana A

Partager sur: