Rakoto David : « Mila safidy politika ny fampandrosoana ny harena an-kibon’ny tany »

Ankoatra ny velaran-tany azo ambolena, manana ny harena ambanin’ny tany tsy hita noanoa koa isika, izay tena ilain’ireo indostria vaventy iraisam-pirenena. Nitondra fanazavana ny mpahay toekarena Rakoto David.

Midadasika i Madaga­si­kara, saingy tsy voatrandraky ny mponina araka ny tokony ho izy. Mana­zava ny mpampianatra mpikaroka toekarena, fitantanana, sosiolojia eny amin’ny Oni­versite Ankatso, Rakoto David. Aminy, misy karazany roa ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany eto amintsika. Voa­lohany, ny fitrandrahana madinika ataon’ny Malagasy, tsy mila renivola betsaka, ary faharoa ny ataon’ny orinasa vahiny vaventy, ilana fampiasam-bola betsaka.
Manaiky ity mpahay toekarena ity fa mametraka ny fepetrany amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa sosialy, toy ny sekoly sy ny lalana amin’ireo mpampiasa vola vahiny ny fanjakana. Tokony hifanandrify amin’ny politikam-panjakana isaky ny seha-pihariana izany, toy ny fanabeazana sy ny fiofanana, ohatra. Toraka izany ny tokony hisian’ny fandaharanasa fampiofanana mifanandrify amin’ny tetikasa miompana amin’ny harena an-kibon’ny tany. « Antony, mba tsy hanafarana mpiasa vahiny avy any ivelany, satria tsy manana ny traikefa ilaina ny eto an-toerana », hoy izy.
Tsy maintsy ilaina ny mpampiasa vola vahiny

Manampy ireo, notsindrian’ny mpahay toekarena Rakoto David, ny hametrahana rafitra matanjaka, hitantanana tsara ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Tokony fantarin’ny fanjakana mazava ny fomba entiny hampandrosoana ny firenena. Itarafana izany fampandrosoana izany ny fampiakarana ny fidiram-bolan’ny isam-batan’ olona, amin’ny alalan’ny fa­mo­ronana asa. Tsy afaka mampandroso ny firenena isika raha tsy misy ny mpampiasa vola vahiny, satria tsy ampy ny hoenti-manantsika hitrandrahana ny harena ambanin’ny tany. Fa mila mampahafantatra mialoha ny tombontsoan’ny mpisehatra rehetra ny tompon’ny tetikasa, mba hampazava ny rehetra. Voa­kasik’izany ny mpitrandraka, ny firenena ary ny mponina ao aminy.
Nomarihiny manokana ny hanajana ny lalàna. Mikasika ny tetikasa Base Toliara, tokony hajaina ny fepetran’ny fitohizan’ny raharaham-panjakana, izay ahanton’ny governemanta ankehitriny, ny efa nataon’ny teo alohany. « Toko­ny hisy ny fifampidinihana ny lafiny teknika amin’ity tetikasa ity, fa tsy hionona amin’ny resaka politika. Soa, fa efa misy ny fifanatonana nataon’ireo mpisehatra samihafa. To­kony hiafara any amin’ny fomba hampitomboana ny fidiram-bolan’nymponina izany, hanatsarana ny fari-piainan’izy ireo fa tsy ijerena tombontsoa manokana », hoy ihany izy.

Njaka
Andriantefiarinesy

Partager sur: