Mitaraina ny mpamily fiarakodia rehetra, velon-taraina ihany koa ireo mpandeha noho
ny faharatsian’ny lalana manerana ny Nosy, indrindra rehefa amin’ny fotoam-pahavaratra.
Sakana voalohany tsy mampandeha ny toekarena izany.
Sady efa lafo no mampidi-doza ny fivezivezena manerana ny Nosy, amin’ireo lazaina fa lalam-pirenena ary tena tapaka na tsy azo aleha ny lalana tokony mampifandray kaominina maro. Tsy mahatafavoaka vokatra maro. Fatiantoka goavana ho an’ny mpamboly, miteraka fahasimban’ny vokatra na vidian-dafo amin’ny tanàn-dehibe.
Araka ny fanadihadiana nataon’ny Banky iraisam-pirenena, ratsy ny 64 %-n’ny lalana eto Madagasiara, noho ny tsy fisian’ny fikojakojana mandritra ny taona, tsy fahampian’ny tetibola natokana ho an’izany, miampy ny loza voajanahary isan-taona. Sarotra ny fifandraisana amin’ny ankapobeny, tsy azo antoka ny fitaterana an-tanety eto Madagasikara.
Mahatratra 30 000 km eo ho eo ny halaviran-dalana manerana ny Nosy, saingy lalan-tany no betsaka. Potika tanteraka sy efa mahazatra ireo lalana fantatra tokony hampifandray distrika sy kaominina maro. Tsy azo aleha mihitsy mandritra ny fotoam-pahavaratra (novambra hatramin’ny avrily). Araka ny hita, antitra avokoa ny fotodrafitrasa maro, tsy ahafahana mampiasa lalana firy. Manahirana, noho izany, ny famoaham-bokatra, lasa fanararaotan’ny mpanangom-bokatra sy mpitatitra sasany, antony iray lehibe mahalafo ny vidim-bokatra amin’ny tanàn-dehibe, nefa ny tantsaha maro anisa mijanona mahantra, saika manerana ny Nosy. Tsy afaka mivezivezy koa ny mpandeha.
Na fiarakodia matanjaka toy ny 4×4 aza, zara raha afaka amin’ny atao hoe lalana amin’ny faritra maro. Miampy izany ny tsy fandriampahalemana noho ny asan-dahalo.
11% monja no mba tsaratsara
Araka ny tarehimarika farany, 11 % monja ny lalana azo lazaina mba tsaratsara eto Madagasikara. Tsy laharam-pahamehana amin’ny tetibolam-panjakana io fotodrafitrasa io. Hiandrasana famatsiam-bola avy any ivelany hatrany, nefa mbola vita kitoatoa ihany, raha ny fahitana ny fanamboarana maro, na amin’ny tanàn-dehibe aza.
Atahorana ny tsy fahasalamana
Atahorana ihany koa ny tsy fahasalamana noho izay faharatsian’ny lalana izay. Kaominina maro tsy ahitana toeram-pitsaboana. Fahavoazan’ ny maro, ohatra, ny tazo manerana ny faritra, izay tena mora mifindra.
Mpamily iray, ohatra, manapa-kevitra vao sahy mandeha amin’ny toerana iray, rehefa fantatra fa tokony hatao. Misy amin’ny toerana sasany ny manapa-dalana tsy ahafahan’ny fiara mandeha ka hararaotina daholo izay azo atao, fandrobana sy halatra hatramin’ny fanolanana vehivavy.
Endriky ny lalana sasany ihany no hoentina eto, fa betsaka ny azo lazaina.
Miavaka amin’ny maro: Lalana RN 7 : harena samihafa
Mamakivaky an’i Madagasikara mandalo amin’ny RN7, mampitohy an’Antananarivo sy Toliara, mandalo ny afovoantany. Mandeha amin’ izany lalana izany, ahitana tontolo iainana samihafa eto amin’ny firenena. Ny kolontsaina sy ny natiora, ahafantarana ny fahamaroan’ny harena eto amin’ny Nosy.
Hita amin’iny lalana iny ireo toerana fizahantany samihafa, toy ny any Ranomafana, Isalo, ahitana biby sy zavamaniry isan-karazany mahasintona mpizahatany.
Ho an’ireo liana amin’ny asa tanana, miavaka amin’ny RN7 ny ao Ambositra, amin’ ireo sary sokitra vita amin’ny hazo sarobidy mampalaza azy. Noho ireo fomba sy kolontsaina, mora ny mifandray amin’ ireo mponina ao an-toerana, mahay mandray vahiny.
Ireo mpankafy divay kosa, misotro karazany izay tiany ao Fianarantsoa, faritra ahitana sarin’i Madagasikara ny RN 7 amin’ny loko samihafa : tontolo tokana malaza amin’ ny fahaiza-manao fambolena voaloboka. Azo lazaina ny any ambanivohitra, tanàna maro samy manana ny kolontsaina mampiavaka azy, tendrombohitra isan-karazany, hatramin’ny torapasika fitsangantsanganana.
Halaviran-dalana manakaiky ny 1200 km, anentanana mpizahatany te hahafantatra bebe kokoa an’i Madagasikara. Roa andro eo ho eo no anaovana Antananarivo sy Toliara, noho ny fahasarotan’ ny ampahan-dalana sasany.
Tsy voakojakoja intsony
Fijaliana ny mianavaratra amin’ny RN 6
Mianavaratra ny RN6 hatrany Antsiranana. Efa vita tanteraka ny eo anelanelan’ Ambondromamy, sampanana mianavaratra, hatrany Antsohihy tamin’ny 1970, saingy nanomboka potika tamin’ ny faramparan’ny taona 1990, noho ny tsy fisian’ny fikojakojana.
Naverina namboarina io ampahan-dalana io tamin’ny 2004 hatramin’ny 2007, avy amin’ny fanampian’ny Vondrona Eoropeanina, fa niverina simba indray taty aoriana.
Ny ampahan-dalana avy eo Antsohihy hatrany Ambanja, 185 km, sarotra hatramin’izao, ary avy eo Ambanja mankany Antsiranana moa, nasiam-panamboarana kely ihany tamin’ny fiandohan’ny taona 1990, nefa niverina anisan’ny «lalam-pirenena» ratsy indrindra, nanomboka ny fiandohan’ny taona 2020 ka hatramin’ izao.
Tantaran’ny «lalam-pirenena» sasany
RN 44 : Avy eo Moramanga, Ambatondrazaka, hatrany Amboavory, 228 km, faritra Alaotra, sompitry ny vary eto Madagasikara, nefa mampijaly hatramin’ny taona maro.
RN1: Raha miala eto an-dRenivohitra mandalo any Arivonimamo, Miarinarivo, izay vao tonga any Tsiroanomandidy sy Belobaka. Malama ny lalana rehefa maina. Tsy tonga any Bemolanga sy Tsimiroro, lazaina fa misy solika, na Maintirano sy ireo kaominina manodidina misy omby.
RN2: Mampitohy an’ Antananarivo sy ny renivohitra ara-toekarena Toamasina. Ny ankamaroan’ny entam-barotra, indrindra ny avy any ivelany sy izay aondrana mandalo amin’io lalana io. Iankinan’ny toekarena betsaka, 360 km, saingy tsy misy fikojakojana.
RN 4 : 570 km avy eto Antananarivo, mihazo an’i Maevatanana sy Mahajanga, feno lavadavaka.
RN 5 : Lalana any Atsinanana anisan’ny faran’izay ratsy, mampitohy an’i Toamasina, Foulpointe, Fenoarivo Atsinanana, Soanierana Ivongo, izay vao tonga any Maroantsetra.
RN 6 : Raha avy eo Ambanja hatrany Antsiranana, mampijaly, indrindra amin’ny fotoam-pahavaratra, matetika tsy azo aleha. Tsy misy fanamboarana ihany koa.
Nanomboka 2020, nisy ihany ny fanamboarana RN1, RN2, RN 7, atao hoe «Label vert» ny tetikasa, nefa tsy hitan’ny mpitatitra ny fahatsaran’ny asa. Azo fantarina amin’ireo ny sombintsombiny amin’ny faharatsian-dalana maro eto Madagasikara.
Fanadihadiana : R.Mathieu