Nitondra fanazavana ny dokotera Ramiandrisoa Lahatriniavo Ritchy, tamin’ ny fandaharana manokan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka mikasika ny fihenjanan’ny lalandra na ny fiakaran’ny tosidra araka ny mahazatra ny maro.
Anisan’ny mahafaty olona maro rehefa tonga amin’ ny fahasarotana ny fihenjanan’ny lalandra. Mizara roa ny tosidra, ambony (tension arterielle systolique) mihoatra ny 140mmHg sy ambany (tension arterielle diastolique) mihoatra ny 90mmHg.
1/3 n’ny vahoaka ankapobeny dia manana tosidra avo avokoa. Mitombo io salanisa io rehefa mitombo ny taona. Aorian’ny faha-60 taona dia manana tosidra avo ny 30%-n’ny olona. Aorian’ny 80 taona miohatra dia manana tosidra avo avokoa ny 90%. Matetika miseho amin’ny aretin’andoha, fanina, mandeha ran’orona, maneno ny sofina, volivoly ny tanana na tongotra.
Amin’ny ankapobeny, tsy misy fambara ny fiakaran’ny tosidra. Matetika malemy avy hatrany mihitsy aza. Sarotra hita rehefa tsy misy fambara miseho.
95% n’ny tosidra avo, dia tsy misy antony mazava, toe-batan’ilay olona mihitsy ilay manana tosidra avo. Misy ihany ireo toe-batana sasany mety hampiakatra ny tosidra. Misy ny tsy azo ovana toy ny taona miha mandroso, ny tarazo, ny fitsaharan’ny ra ho an’ny vehivavy.
Toe-batana azo ovana kosa ny fampitsaharana ny fifohana sigara, fisotroana toaka, fihinanana sakafo be menaka, hatavezana be loatra, tsy fampiasam-batana. Anisan’ny mitarika ny fiakaran’ny tosidra indrindra koa ny rarin-tsaina lavareny tsy misy fitsaharana.
Ny fahasarotana mety hiseho dia ny fahasimban’ny taova sarobidy amin’ny vatana. Anisan’izany ny atidoha, fo ary ny lalandra. Fahatapahan’ny lalandra, fahavizanan’ny fo, fahapotehan’ny voa…
Ho an’ireo efa mihinam-panafody handaminana ny tosidra dia mila ohanina isan’andro izany araka ny toromariky ny dokotera.
Tatiana A