Maresaka indray ny tanàna eto an-drenivohitra. Mampiantrano vahiny manan-kaja maro i Madagasikara tamin’ity herinandro ity. Mahoraka ny hetsika goavana momba ny haikajy mirindra. Firenena afrikanina maro no nahatonga solontena. Tsy ambakan’izany ny lalaon’ny Nosy. Efa eto Madagasikara, manao fanadihadiana farany ny vaomiera miandraikitra izany aty amin’ny Ranomasimbe Indianina. Iaraha-mahita fa manokona ny nahandro sy mikenonkenona fatratra ny fitondram-panjakana sy ny komity mpikarakara ny lalao. Na inona na inona feo miely, mbola manome toky sy milokaloka i Madagasikara fa tsy handraraka ilo mby an-doha.
Zava-dehibe ny fahasahiana mijoro sy mitazona ny teny nomena, amin-javatra goavana sy manan-danja tahaka izao. Ny hasin’ilay firenena mihitsy no voazimbazimba sy afa-baraka, raha tsy tontoso ilay lalao. Azo tsapain-tanana ny ezaka vita hatreto. Efa misoko miadana ny fikarakarana any ambadika rehetra any. Ny fampiofanana ny mpilalao sy ny fampivondronana rahateo efa mandeha. Misy ny mijanona eto an-toerana, ny sasany mandeha any ampitan-dranomasina. Raha ny tatitra farany voaray, mahafa-po ny ezaky ny atleta any ivelany any. Maro ny mahamontsana ny zava-bita tsara indrindra.
Tsy tokony hijanona amin’ny lalaon’ny Nosy ihany anefa ny ezaka sy hazakazaka arahin-tosika tahaka izao. Mahavita manao fahagagana mihitsy manko Rafanjakana, ankehitriny. Koa aiza ho aiza ny fanomanana ny fifidianana, mba hisian’ ny fitohizan’ny raharaham-panjakana demokratika ? Marina fa misy ny geja sy ny tsindry ataon’ny mpiara-miombon’ antoka teknika sy ara-bola. Tsy takona afenina ny tian-kano sy tsy tian-kano, ataon’ny vahiny amin’i Madagasikara.
Ireny anefa no tokony ho fanoitra, hanehoana ny hambom-po sy ny fiandrianam-pirenena. Efa manakaiky rahateo ny fanamarihana ny datin’ny 26 jona, manamarika ny namerenana ny fahaleovantenan’i Madagasikara, taorian’ny 63 taona naha zanatany frantsay azy. Tsiahivina, fa ny taona 1895 no efa teto ny frantsay, nialoha izany ny anglisy. Efa taty amin’ny taona 1897 no nofoanana ny fitondrana mpanjaka. Nanomboka teo ny zioga ! Mandrak’izao mbola eo ambany vahoho ihany !
Tsy tokony hahavala-ketraka anefa ny ankivy ataon’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena. Zava-dehibe ny fahavononan’ ny fanjakana, hanao fifidianana. Indrokely ny hoenti-manana saingy tsy tokony ho sakana izany. Zava-dehibe ny finiavana. Efa leo krizy lavareny rahateo ny vahoaka malagasy, ka mitady ny lala-manivaka ahitana fanantenana vaovao indray !
r.r