Nirongatra ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina mahery vaika (héroïne, rôrô, rongony…) tato ho ato. Mampalasa adala, mampiakin-doha, mahatonga tsy fandriampahalemana ary mampirongatra aretina maro (Vih sida…) izany.
Loza mitatao ho an’ ny tanora ny fifohana sy fitsindronana zava-mahadomelina, raha ny zava-misy. Maro amin’ izy ireny no tratran’ny aretin-tsaina. Misy ny lasa olon-dratsy ka mampirongatra ny tsy fandriam-pahalemana. Manginy fotsiny, mahazo vahana ny aretina isan-karazany toy ny Vih sida.
8,4% ireo mpitsindrona zava-mahadomelina no voan’ny tsimokaretina vih sida eto Madagasikara, raha ny tatitra navokan’ny fikambanana Ainga Aides. Manodidina ny 8 hatramin’ny 34 taona ireo ankizy sy tanora manao izany eto amin’ny nosy. “Ilaina ny fifampiresahana sy fandraisan’ny sehatra rehetra eto amin’ny Nosy anjara mba hitadiavana paikady hiadiana amin’ny fiparitahan’ny aretina sy ny zava-mahadomelina”, hoy ny filohan’ny fikambanana Ainga Aides, Dr Ranazajatovo Edmond, ny Alarobia lasa teo, nandritra ny atrikasa nokarakarain’izy ireo, tetsy amin’ny Espace Dera, Tsiadana.
Mahatratra 132 ny isan’ ireo ankizy nosamborin’ny polisy noho ny fidorohana zava-mahadomelina ny volana avrily lasa teo, raha ny tatitra eo anivon’ny polisim-pirenena.
Ankoatra izay, misy fiantraikany ratsy eo amin’ ny toe-karena, sosialy, kolontsaina ary politika ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina.
Nilaza ny Dr Ranazajatovo Edmond, fa lafo be ny saran’ny zava-mahadomelina, mitarika ireo ankizy hangalatra. Lafo tahaka izany koa ny fitsaboana ireo mararin’ny zava-mahadomelina. Ny tena zava-doza, mitarika any amin’ny fahafatesana haingana izany.
Niarahana tamin’ny mpitandro ny filaminana , ny fitsarana, ny mpandraharahan’ny fonja ary ny mpiasan’ny fahasalamana, ny atrikasa nataon’ny fikambanana Ainga Aides. Tanjona ny hitadiavana vahaolana maharitra hiadiana amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina sy ny aretina azo avy amin’ izany eto amin’ny Nosy.
Mino (mpianatra asa)
Lasa adala teo am-pifohana rongony i Mena
Lasa adala teo am-pifohana rongony i Mena, mipetraka eto Antananarivo. Niteny irery, very tadidy no niandohan’izany, raha ny fanazavana. Nanandrana nifoka rongony niaraka tamin’ny namany izy, teo amin’ny faha-17 taonany, raha ny fitantaran’ ny mpiara-monina aminy. Mandeha mifoka miafina miaraka izy sy ny namany, aloha sy aorian’ ny fianarana. Tsy fantatry ny ray aman-dreniny ny fisian’izany. Nifoka foana izy nanomboka teo rehefa tsy nahita ny fiantraikany ratsy teo amin’ny fahasalamany. Herintaona taty aoriana, lasa adala tanteraka vokatr’izany , raha ny fanazavana ihany.
Notsaboin’ny ray aman-dreniny teny Anjanamasina, fitsaboana ireo marary saina, izy avy eo. Tsy naharitra teny fa nitsoaka izy sy ny namany, raha ny fitantaran’ny mpiara-monina hatrany. Nentina teny Imerintsiatosika indray avy eo mba hositranina. Nihatsara sy nisy fiovana kely ny fahasalamany tamin’izany. “Tsy nahatana fa niverina nifoka rongony indray izy taorian’ izay ka lasa adala tanteraka hatramin’izao”, hoy hatrany ny fanazavana.
Mitantara i Zily….
28 taona nifohana rongony
«28 taona nifohana rongony, manadino zavatra indraindray, menamena ihany koa ny maso», hoy i Zily, raim-pianakaviana 45 taona, manam-bady aman-janaka, mipetraka eto Antananarivo. Nilaza izy fa andrankandrana tamin’ny mbola kely ka tsy afaka intsony ary miankin-doha tanteraka hatramin’izao. Mahalany rongony iray isan’ andro, amin’ny vidiny 2000 Ariary izy.
“Tratran’ny polisy teo am-pividianana rongony ka nigadra valo volana tany am-ponja aho”, hoy izy. “Zara ary tsy lasa adala tamin’ny fifohana ary tsy hanandrana hitsindrona sao misy voka-dratsy eo amin’ny sainy”, hoy izy nanamafy. Ho azy, tsy mampatanjaka fa mampazoto amin’ny asa atao, indrindra raha miasa vatana izany.
Nohamafisiny fa mampalasa adala ny tsy fahazakana rongony ka tsy tokony anandrakandrana hihinana sy hifoka ary hitsindrona izany ny tanora. Misy amin’izy ireny no lasa adala, mangarom-paosy, manendaka, manolana…