Nivoaka indray ny « Sokela, la parole du Sud », andiany fahafolo. Izy ity izay gazety boky nosoratan-dRasamoelina Henri, mpanoratra sy mpahay tantara, ary niarahany niasa tamin’ny « Editions Universitaires Européennes » ny fanontana azy. Mbola any ivelany ihany no ahitana ny boky amin’izao ary efa eo am-panatanterahana ny hanaparitahana azy eto Madagasikara ny tomponandraikitra. Nisy ny fiaraha-miasan-dRasamoelina Henri tamina manampahaizana maro samihafa, tamin’ny fanoratana sy fanatontosana izao asa soratra izao. Tanjona amin’ny namokarana ny gazety boky ny hanomezana fitaovana ho an’ny tia mikaroka mba hahafahan’izy ireo miresaka lohahevitra manan-danja amin’ny lafiny sosialy, politika, toekarena ary kolontsaina eto Madagasikara.
Nifarimbona sy niara-niasa tamin’ny fanoratana sy fanatontosana izany ny Profesora Rakotoarivelo Anselme, Dr Ranaivomahasetra Rajaonarisoa ary ireo teolojianina. “Relecture du Fihavanana pour la réconciliation nationale à Madagascar” notontosain’ny Pastora Rasolonjatovo Riana Lalaina. « Les Problèmes de vol de bœuf à Madagascar» nataon’Andrianjara Zafy Athanase. Hita ao ihany koa ny « Ambovombe, carrefour historique de l’Androy de 1900 à 1960 » nataon’ny Dr Manovondahy Mara. « Mariage des femmes malgaches» itondran’Andriamanantena Verohanitra Mariette famelabelarana. Mitondra ny anjara birikiny amin’ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe « Réflexions sur les problèmes d’eau à Madagascar » kosa ny Profesora Rasamoelina Henri.
Gazety boky anisan’ny sangany ny « Sokela, la parole du Sud ». Maro ireo oniversite vahiny, indrindra ny ao Eoropa no ahitana azy. Eo ihany koa ny nandikana ireo andiany teo aloha tamina tenim-pirenena enina tao Eoropa.
Lin (Mpianatra asa)