« Fady kambana » : tanjon’ny ranty ny hitondra fijery vaovao

Tamin’ny alalan’ny haikanto no nitondran’i Christian Sanna, ny antson’ireo reny sy nampahafantarany ny mahakasika ny fady mitaiza zaza kambana. Amin’ny alalan’ny haikanto ihany koa ny hitondrany izay mety ho fijery vaovao manoloana izany.

Mitohy hatrany ny fampirantizna « Fa­dy Kambana », ataon’i Christian Sanna, Malagasy mpahay kanto, mpaka sary, eny amin’ny Institut Français de Mada­gascar, IFM, Analakely. Sary sy tantara maneho ny fiainan’ny ankizy sy ny fianakaviana niharan’izany fady izany no haseho ao. « Ireto sary ireto dia maneho ny rohy mamatotra ny reny sy ny zanany, sy ny fifanoherana misy eo amin’ny fitiavan-dreny sy ny tahotra ho voarara », hoy i Christian Sanna. Tafiditra ao anatin’ny ady ho an’ny zon’ny ankizy malagasy manoloana ny zo iraisam-pirenena ihany koa izao hetsika izao. Tanjona ny hitondrana fijery vaovao mahakasika ity fady ity. Fady izay miteraka olana lehibe eo amin’ny faritra misy izany.

Fomba mbola tanterahin-dry zareo Antambahoa­ka hatramin’izao ny fady mitaiza zaza kambana. Any Ma­nanjary, faritra Fito­vinany no misy ity fomba iray ity. Mbola ampiharin’ny Am­pan­jaka sy ny Olobe ihany izany fady izany na dia efa nisy aza ny fanaovan’izy ireo sonia, fifanarahana sy karazan-dalàna mahakasika ny zon’olombelona sy ny zon’ny ankizy. Tsy maintsy harina avy hatrany ny iray amin’ireo zaza kambana vantany vao teraka, taloha aza misafidy ny ray aman-dreny ka vonoina ny iray.
Voahilika ireo mandika fady
Efa maro ny reny mandika izany fady izany ankehitriny, tsy manaiky ny hanary ny zanany. Izy ireo izay mitambatra ao anatin’ny fikambanana “Tsy manary Zanaka”, fikambanana tohanan’ny PNUD. Iharan’ny fanilihana ataon’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina anefa ireto reny manao izany fandikana ny fady ireto izany. Anisan’izany ny tsy fidirana am-pasan-drazana. “Lasa tafiditra ao anaty fahantrana lalina ireo reny mandika fady ireo. Fahan­trana izay heverin’ny olona ho ozona vokatry ny nataon’izy ireo nefa noho ireo fanilihana mahazo azy no mahatonga izany”, hoy i Christian Sanna.

Lin(Mpianatra asa)

Partager sur: