Any Lafrantsa indray ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry. Tsy re tsaika ny fiaingany. Tsy mba nolazaina mialoha, toy ny mahazatra ny fandaharam-potoanany, raha tsy efa any an-toerana izy. Na izany na tsy izany, zava-dehibe ho an’ny hoavin’i Madagasikara sy ny tontolo politika no nandehanany any. Tsy azo tsinontsinoavina rahateo ny fifandraisana diplaomatika amin’i Madagasikara sy ny reny malala. Ity farany izay mbola tompon’ny teny farany hatrany amin’ny toerana misy ny firenena malagasy eo amin’ny kianjaben’ny jeopolitika maneran-tany. Raha fehezina, tsy mbola tapaka ny tadimpoitra mamatotra ny roa tonta.
Inona anefa no vokatr’izany ? Sarintsarim-pahaleovantena no nomena hatrizay. Mbola voazioga sy ambany vahohon’ny vahiny ny vahoaka sy ny tanindrazana. Tsy ho afa-manoatra velively manoloana ny tiankano sy tsy tiankano. Manomboka mipoitra tsikelikely izy io, amin’ny fitarihan’ny vahiny, ilay dinika sy famoahana sata mifehy ny fitondran-tenan’ny mpanao politika. Mbola hiampy izany amin’izay voandalana ho entin’ny delegasiona malagasy avy any Paris avy any. Ny fitsipi-dalao hatrizay rahateo tsy azon’i Madagasikara lavina sy atao ambanin-javatra.
Niaraha-nahita fa nihemotra ny fahatongavan’ilay vehivavy minisitra frantsay. Voasongon’ny fandehanan’ny malagasy any frantsa izany, ankehitriny. Hanao ahoana tokoa ny fivoaran’ny toe-draharaha? Etsy andanin’izany, miha manakaiky rahateo ny datin’ andro, napetraky ny raiamandreny am-panahy amin’ny hisian’ny fikaonandoham-pirenena lehibe eto an-drenivohitra. Tanjona, araka ny efa nambara ombieny ombieny, ny fisorohana ny mety hisian’ny korontana sy ny ra mandriaka manodidina ny tontolon’ny fifidianana.
Ny fifidianana izany hany vahaolana andrasan’ny vahoaka malagasy rehetra tsivakivolo anefa, amin’izao vanim-potoana mangidy lalovany izao. Tsy marisika intsony amin’ny mety ho fitarozahana ny olom-pirenena tsotra, satria efa tena an-dohalika ny ranombary. Efa tsy zaka zakaina intsony ny vidim-piainana, hany ka betsaka no “mivaha”, maro no very fanahy mbola velona ka mivarilavo tanteraka. Tsy misy vahaolona azo avy amin’ny mpitondra na ny mpisehatra politika anefa. Tratran’ny tsy maintsy mizaka ny enta-mavesatra iarahan’ny Malagasy rehetra mizaka. Tsy tanana handrangotra na tongotra hitsipaka, toy ny bibilava sinambotr’ankizy.
Na eo aza anefa ny korontandrotana politika, eo ny lesoka isan-karazany, tsy maintsy mitraka ny Malagasy ary tokony hiray hina hatrany, andaniny. Tanjona ny hisorohana izay mety ho antony hamotika ny fiarahamonina misimisy kokoa. Mila mitondra voandalana tsara sy mamelona fanantenana kosa ny filoham-pirenena sy ny delegasiaonina tarihiny, ankilany.
r.r