Manana rano betsaka saingy tsy voafehy ny distrikan’i Maroantsetra sy Mananara Avaratra. Taorian’ny fitarainan’ny mponina tamin’ny filoha Rajoelina, herinandro lasa izay, nidina tany an-toerana ny minisitry ny Rano sy ny fidiovana ary ny fahadiovana (MEAH), Ravokatra Fidiniavo sy ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Ramilison Harifidy, ny 11 sy 12 jona teo. Nizara roa ny fitsidihana. Nojerena ny fomba hametrahana ny fotodrafitrasa mikasika ny fitarihan-drano fisotro sy ny fanariam-pako manokana ao amin’ny CSB II Ambatomilona, kaominina Mananara. Nilaza ny minisitry ny Rano, fa azo atao tsara ny mampiditra rano ao an-toerana. Hisy toerana hitantanana sy handevenana ny fako ao amin’ity tobim-pahasalamana ity. Hametrahana fotodrafitrasa fanasivanana ny rano koa ao amin’ny fokontany Ambatomilona, any amin’ny 43 m ambonin’ny ranomasina. Hahazo famatsian-drano koa ny mponina manodidina, satria mahatratra 45 km ny halavan’ny fantsona. Tokony haharitra 15 taona ity fotodrafitrasa ity, izay volam-panjakana madiodio.
Hodiovina ny rano masira
Nivory niaraka tamin’ireo ben’ny Tanàna miisa 20 ao anatin’ny distrika Maroantsetra koa ireto olom-panjakana ireto. Nilaza ny filohan’ny ben’ny Tanàna fa olana any Maroantsetra ny rano fisotro madio. Manodidina ny 2.900 m3 isan’andro ny filàn’ny mponina, ahitana 12.000 tokantrano ao an-tampon-tanànan’i Maroantsetra. Vovo no ampiasain’ny maro anisa, tototra anefa izany rehefa miakatra ny rano. Vahaolana horaisina ny hanadiovana ny rano masira, hiarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka, sady ampiasana angovo avy amin’ny masoandro. Efa nisy tetikasa toy izany saingy tapitra tamin’ny taona 2018 ny fe-potoam-piasany ho an’ny kaominina 13 amin’ny 20, ka hisy antso tolo-bidy vaovao. Hohadihadiana kosa ny loharano azo hitarihan-drano hamatsy ireo kaominina 7 ambiny.
Njaka A.