Maro ny ala voajanahary very eto Madagasikara hatramin’ny taona 70. Vetivety anefa ny faharavany amin’ny faritra rehetra. « Koa iray amin’ny tanjona apetraka ny hamaritana izay laharaham-pahamehana sy fiarovana ny ala voajanahary », araka ny tetikasa BioSceneMada (Biodiversity scénarios under the effect of climate change and future deforestation in Madagascar).
Tetikasa hahafahan’ny tomponandraikitra mamaritra izay laharam-pahamehana. Jerena avy amin’izany tetikasa izany ny paikady hamelomana indray ny ala. Kendrena ny fiarovana ireo ala voajanahary. Mampahomby sy mampaharitra ny tetikasa tarihin’ny Cirad (1) ny fampiarahana izany amin’ny fambolena…
Kajiana ny faritra misy ala ary ezahana ny manao asa fambolena ary ampiarahana miaraka amin’izany ireo karazana voly anatin’ny faritra voatokana. Tanjona anatin’ny tetikasa Padap (2) handraisan’ny Cirad anjara amin’ny fampandrosoana ny fitantanana tontolo manodidina sy ny drafitrasa fikajiana ny ala.
Hazo hamokarana angovo
Manakaiky ny 90 % amin’ny tokontrano malagasy mampiasa hazo hanaovana saribao. Ankoatra izay ny hazo hatao kitay, any ambanivohitra. Noho ny fari-piainana, ilaina noho izany ny fambolena hazo famokarana angovo sy mahatanty doro tanety. Hita izany amin’ny tetikasa ataon’ny Cirad momba ny arina (3) any Anjozorobe.
Tanjona, fanampiana ny mponina amin’ny famokarana saribao mba ho fiarovana ny ala voajanahary. Na eo aza ny tetikasa, mitombo hatrany ny faharavan’ny ala voajanahary hatramin’ny hazo sarobidy hanaovana saribao any amin’ny faritra sasany. Tafakatra 100 % mahery ny vidin’ny saribao iray gony eto an-dRenivohitra tato anatin’ny dimy taona farany, 32.000 Ar hatramin’ny 36.000 Ar. Midika izany fa tsy ampy ny tetikasa famokarana hazo atao angovo. Mila ezahana ny famokarana herinaratra azo havaozina sy ara-pahasalamana ho zakan’ny rehetra ny fahefa-mividiny.
Cirad (1) : Centre de
coopération internationale en recherche agronomique pour le développement
Padap (2) : Projet
agriculture durable par approche paysage
Arina (3) : Aménagement
et reboisement intégré
du district d’Anjozorobe
en bois-énergie.