Tsy nahay nanoratra ny Malagasy fahagola. Na aman-jato taona maro aza no niainany izany, mahalala tsara ny maha izy azy izy ireo. Io tsy fisian’ny soratra io rahateo no singa iray nanery ny Malagasy hampiasa ny sofina mihaino sy ny saina mandinika sy mitadidy ary ny fanahy handalana ny voajanahary… Niova tsikelikely anefa ireo, noho ny tranga sy vanim-potoana nolalovan’i Madagasikara.
«Noharin’ny Malagasy tamin’ny masoandro amam-bolana ny ray aman-dreny », hoy ny mpandalina ny maha Malagasy. « Any mantsy Ikaky sy Ineny… », hoy ny tononkira. « Dada sy neny malalako izay, dia fola-damosina ery taminay… », hoy ny tsianjery fanaon’ny ankizy fahiny. « Ny zanaka tiana no tsy itsitsiana rotsa-kazo », hoy ny ohabolana… Aty aoriana, niova ny Malagasy. Ny tsy azy indray no nataony an-doloha. Nipoitra ny karazan-dray maro. Tahaka izany koa ny karazan-dreny samihafa. Ny karazan-janaka isan-tokony. Heno aloaky ny vavan’ny Malagasy, ohatra, ny : « avy aty amin’ny Papa », « avy aty amin’ny Maman »…
Ny ray, tokana aman-tany. Tsy ho roa na oviana na oviana ny masoandro. Izy no mitondra ny hazavana ary mampahafantatra fa misy ihany koa ny haizina (alina). Tahaka izany koa ny volana. Tsy ho roa na ho telo fa iray ihany. Izy no tsinana mandalo ny fenomanana ary midina ho maizim-bolana. Ny reny niteraka io. Ny zanaka (anaka), tsy zaza hita etsy na hangatahana eroa fa izay naloaky ny kibon’ny reny. Misy heviny sy hasiny avokoa ireny rehetra ireny ka tsy tokony ho novaina hanaraka ny voambolana vahiny.
Niova hatramin’ny fomba fisainana
Anarana mitaky adidy manoloana ny ankohonany ny atao hoe « ray ». Endriky ny fahafantarana amin’ny antsipiriana sy hatrany ifotony ny zava-miseho ao anatin’ny ankohonana no atao hoe « reny ». Satria efa niova ho « papa » sy « maman » ilay anarana, niova nanaraka izany ihany koa ny fomba fisainany. I « Papa » sy i « Maman » mieritreritra fa vahiny, na mitovy amin’ny vahiny. Noho izany, tokony hisaina tahaka ny vahiny, manoloana ireto zanany. Na manao ditra sy hadisoana aza, « tsy azo kapohina fa manjary manitsakitsaka ny zon’ny zaza ». Ny reny tsy misaina intsony amin’ny maha reny azy. Vokany, tsy mampaninona azy ireny ny mamono ny menaky ny aina. Manary eny an-tatatra ny zanaka naloaky ny kibo. Olona tsy mahafantatra intsony ny hasin’ny atao hoe « ray aman-dreny, zanaka » no mitaiza sy manabe ny taranany. Tsy atao mahagaga raha kisarintsarina Malagasy sisa no hita aty aoriana.
Nivadika ny rasa
Tsy azo atao na inona na inona ny zaza na ny ankizy rehefa maditra. Na ny mananatra aza, tsy vitan-dry « Papa sy Maman » intsony satria mahakitika ny zon’ny ankizy. Tahaka izany koa ny zaza sy ny ankizy. Tsy manana tahotra ny ray aman-dreny ka sady mamingavinga no mahavita manao tsinontsinona azy ireo satria manan-jo ny hiteny sy haneho hevitra. Tsy hita teo amin’ny fomba nanabeazan’ny Malagasy ny zanany ny tranga tahaka izany.
Ilay fahendrena lehibe (fitazonana ny maha izy ny fianakaviana, ny fomba amam-panao, ny soatavina…) tokony ho nananan’ny ray aman-dreny, tsy voatazon-dry « Papa sy Maman » intsony hany ka ny ankizy aty aoriana no mamorona azy ireny. Tsy miainga tamin’ny fototra maha izy azy (na tamin’ny maha Malagasy) anefa fa niainga tamin’ny fomba fisainana vahiny.
Raha tsy mitodika mijery sy mamantatra ny faka nitsimohany ny ray aman-dreny miaina amin’izao vanim-potoana izao, ho zary resaka fotsiny ny « maha Malagasy » !
HaRy Razafindrakoto