Manolona ny resabe momba ny sata mifehy ny zom-pirenena (Code de la nationalité) malagasy, nanazava ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Nambarany fa ny didy hitsivolana (Ordonnace) laharana 60-064, nivoaka ny 22 jolay 1960, nasiam-panovana sy notovanana (amendé) no mamaritra izany, manomboka eo amin’ny andininy faha-9. Voafaritra ao ny fomba fahazoana zom-pirenena malagasy, amin’ny alalan’ny ra na avy amin’ny ray na reny niteraka, na ny fananganana(isu sanguinus) . Voalaza koa ny fahazoana izany avy amin’ny alalan’ny fanambadiana sy ny fangatahana samy hafa (naturalisation).
Nohazavainy koa ny momba ny fahaverezana (perte) na fanesorana (déchéance) ny zom-pirenena malagasy. Tsy misy olompirenena very zom-pirenena izany raha tsy nanao fangatahana an-tsitrapo izy ny hanesorana izany. Mandalo eny anivon’ny governemanta ka hamoahana didim-panjakana ( décret) ary havoaka amin’ny gazetim-panjakana. “Tsy ampy ny famakiana ilay andalana faha-42 fotsiny, rehefa hiresaka zom-pirenena izany. Mila mamaky ireo andininy rehetra: 42, 43, 45 ary 55 vao afaka ny mamaky sy mahazo ny voalaza”, hoy hatrany izy. Ireo andininy ireo dia mitaky ireo pitsopitsony rehetra voalaza teo ambony.
“Tsy misy fahaverezan’ny zom-pirenena malagasy avy hatrany (na perte de plein de droit) fa tsy maintsy manaraka izay voalazan’ny lalàna sy ireo dingana voalaza ( subordonné). Sady raha fehezina ny voalazan’ny sata mifehy ny zom-pirenena dia tsy misy milaza mihitsy fa tsy afaka manana zom-pirenena hafa ny Malagasy”, hoy izy.
Marihana fa ny fangatahana zom-pirenena malagasy, na ny fahaverezan’izany dia tsy maintsy manaraka dingana. Toy ny fangatahana natao an-tsitrapo ary mitaky didim-panjakana avokoa vao manankery.
Lin ( Mpianatra asa)