“Ny adihevitra dia ny filozofia itondrana ny firenena amin’izay manana zom-pirenena hafa: tombontsoan’iza no iadiana raha mitondra firenena?”, hoy ny mpandinika fiarahamonina, Rabary Paul, manoloan’ny adihevitra amin’ izao momba ny fizakan’ny filohan’ny Repoblika zom-pirenena frantsay ka hoe tsy hahazoany mirotsa-kofidina intsony, araka ny fijerin’ny sasany.
Ny fanontaniana raha manana zom-pirenena roa ilay olona: iza no voalohany? Satria manana ny fiandrianany ny firenena, izay zava-dehibe: mifaningotra sy mifandray fa tsy afa-misaraka amin’ny tombontsoam-pirenena. Tsy afa-miaraka ny tombontsoan’i Madagasikara sy ny tombontsoan’i Frantsa, satria samy firenena. Tombontsoan’iza àry no harovana amin’ny fizakana zom-pirenena? Tsy lalàna no resahina amin’izany, fa ara-dalàna eto Madagasikara ny fahazoan’ny filohan’ny Repoblika mizaka zom-pirenena malagasy sady mizaka zom-pirenena hafa. Tsy any ny olana.
Efa vita ny adihevitra…
Manana zom-pirenena roa, malagasy sy frantsay na hafa, ny ankamaroan’ny mpitondra ambony teto Madagasikara nanomboka tamin’ny taona 1960. Na filohan’ny Repoblika io, na praiminisitra, na minisitra, na depiote, na loholona… Raha aty amin’ny faha-63 taon’ny fahaleovantena vao anontaniana ny amin’izay fizakana zom-pirenena vahiny izay, efa naman’ny vita izay adihevitra izay ny amin’ny tokony hanana zom-pirenena hafa na tsia ny mpitondra ambony eto amin’ny firenena. “Hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena, mitondra zavatsoa sa fahasahiranana ho an’ny firenena ve ny fisiana mpitondra manana zom-pirenena hafa?” , hoy izy. Tsy mbola vita izay adihevitra izay. Satria mila jery todika izany, mila fanaovana tombana, mila famafakana…
R. Nd.