Tao Anatirova no nananganana ny saina fotsy… Nanamarika izany ny taona 1897 fa resy ary lasa zanatany frantsay i Madagasikara. Resy fanindroany indray ny 6 novambra 1995, rehefa ravan’ny afo tanteraka ny Rova. Tafarina ihany kosa anefa, ka midika ho fandresena miezinezina ny fisokafan’ny Rovan’i Madagasikara indray. Araho ny tantara…
Eny an-tendron’ny havoana avo indrindra eto Antananarivo, mirefy 1463 metatra no misy ny Rova. Ho fiarovana ny andriamanjaka sy ny fanjakana no tena antony nisafidianana ny toerana avo, ary ambony havoana avokoa ny rova rehetra manerana an’i Madagasikara. Andry sy fototry ny tantaran’ny fanjakana merina tany am-boalohany Anatirova na ny Rovan’Antananarivo. Lasa ivon’ny fanjakan’i Madagasikara ihany koa izy taty aorian’ny fampiraisana ny foko rehetra, natombok’Andrianampoinimerina ary notohizan-dRadama I.
Rova lehibe indrindra eto Madagasikara, mitahiry ny tantara tsy fanadino, araka izany, izy. Rovan’Antananarivo na Anatirova, izay ahitana ireo lapa Besakana, Mahitsielafanjaka, Tranovola, Manjakamiadana, Manampisoa, ireo kianja, ny fiangonana tranovato ary ireo fasan’ny Andriamanjaka (Fitomiandalana sy ny “Fasan’ny lahy” sy ny “Fasan’ny vavy”.
Ara-tantara, ny mpanjaka Andrianjaka no nanangana ny rova teto Antananarivo, tany amin’ny voalohandohan’ny taonjato faha-17 tany. Avy eny Ambohimanga izy, ka nifanaraka tamin’ny vazimban’Antehiroka teo amin’ny “Kianjan’ Andrianjaka”, izay ao atsinanan’i Besakana.
Besakana, tranainy indrindra
I Besakana no lapa tranainy indrindra ao Anatirova, izay naorin’ny mpanjaka Andrianjaka tany amin’ny taona 1960 tany ho any. Manaraka azy ny lapa Mahitsielafanjaka, izay naorin’ny mpanjaka Andrianampoinimierina tany amin’ny taona 1787 tany ho any, na dia teny Ambohimanga aza no tena nanjakany. “Ambohimanga nanjakako ary Antananarivo namoriako”, hoy Andrianampoinimerina (in Tantara ny Andriana, Tome II, P. Callet). Nandritra ny fanjakan-dRadama I (1810 -1828) kosa ny nanorenana ny lapa Tranovola, izay nametrahany an-dRasalimo vadiny. Nohavaozin-dRanavalona I (1828-1861) ity lapa ity taty aoriana, ka nataony “style créole” ny maritrano. Tsy nanangana lapa tao Anatirova kosa fa nipetraka tao ihany koa Radama II (1861-1863). Rasoherina (1863- 1868) kosa nanangana ny lapa Manampisoa, izay “style victorien”.
Manjakamiadana, lapa goavana indrindra
Goavana sy lehibe indrindra raha samy lapa ao Anatirova i Manjakamiadana. Efa nisy ny lapa Felatanambola teo no nasain’ny mpanjaka Ranavalona I (1828-1861) nafindra teny Ambohimanga ka nananganana lehibe kokoa. “Manjakamiadana noravainy dia nosoloiny makadiry. Ra M. Laborde no nanome marika hanorenana ny hazo vaventy nasiana bolaky, Andriamparana no nanao santatra nanorenana azy”, hoy hatrany ny fitantaran’ny R. P. Callet. Lapa vita amin’ny hazo anisan’ny avo indrindra satria nahatratra 42 metatra ny vovonana, 18 metatra ny sakany ary 29 metatra ny halavany. Nisy haintrano lehibe teto Antananarivo tamin’ny andron-dRanavalona II (1868-1883), ka nanapa-kevitra ny mpanjaka fa azo atao ny manangana trano fonenana vita amin’ny vato, raha toa ka fady izany teo aloha. Izy no nampiandraikitra an’i James Cameron handrakotra vato an’i Manjakamiadana, ka lasa nampiezinezina azy toa io. Nisy fotoana nahavery anarana, ka lasa hoe Rovan’i Manjakamiadana an’Anatirova, noho ity lapa ity misongadina indrindra.
Ity mpanjakavavy ity ihany koa no nanangana ny Tranovato fiangonana. Izy rahateo no nampandoro ny sampin’andriana rehetra, ary nanambara tamin’ny fomba ofisialy fa ny fiangonana protestanta no fiangonam-panjakana.
Tsy tontosa ny Lapa Masoandro
Toa ireo mpanjaka rehetra teo alohany, nanam-pikasana ny hanangana lapa tao Anatirova ihany koa ny mpanjaka Ranavalona III, mpanjakan’i Madagasikara farany. Lapa Masoandro no nataony anarany, saingy vao ny fototra no vita dia nipoaka ny ady tamin’ny Frantsay, ka rodana ny fanjakana malagasy. Lasa sesitany ny mpanjakavavy, ka nananganan’ny Frantsay saina fotsy, ho mariky ny faharesena teo Anatirova…
Araka ny baikon’i Gallieni, nasiana dobon-drano teo amin’ny fototry ny lapa Masoandro.
Nisy ihany koa famindrana ireo taolambalon’ireo mpanjaka efa nodimandry, izay nafenina teny amin’ny Rovan’Ambohimanga hankeny amin’ny Rovan’Antananarivo.
Natao mozea
Nataon’ireo mpanjanaka ho tribonaly nitsarana ireo Menalamba aloha i Manjakamiadana. Avy eo natao sekoly nanofanana ireo mpanao raharaham-panjakana. Nangonina sy nampirantian’izy ireo tao Anatirova ireo voka-pikarohana “paléontologique” toy ny taolana “dinosaure sy ayperonis”. Tao ihany koa no nisy ny “Ecole des beaux-Arts” voalohany, ka ny hosodoko no tena natao tamin’izany.
“Tamin’ny andron’ny Repoblika Voalohany no nanaovana an’i Manjakamiadana ho mozea, rehefa niverina ny fahaleovantena. Mozea ihany saingy sadasada ny rafitra nifehy azy nandritra ny Repoblika Faharoa satria minisiteran’ny fanolokoloana ny zavakanto revôlisiônera no nisy kanefa tsy tafiditra ho isan’ny zavakanto revôlisiônera ny rova. Azo lazaina fa io rafitra sadasada io ihany koa no nahamay ny rova satria tsy tena nipetraka tsara ny fiarovana”, hoy ny filazan’ny “conservateur” an’ny Rovan’i Madagasikara.
6 novambra 1995, ilay “andro maizina”
Tsy ho voakosoka anatin’ny tantaran’i Madagasikara ihany koa ny andron’ny 6 novambra 1995. Alahelo, ranomaso, fihetseham-po isan-karazany no niainan’ny Malagasy raha naheno fa ravan’ny afo Anatirova. Nahery ny afo ka tsy voatohitra na teo aza ny fifanentanana. Rava tanteraka, zara raha nisy sombintsombiny sendra mba tafavoaka ireo vakoka rehetra naranty tao. May avokoa ireo lapa, indrindra ireo lapa hazo. Ny vato ivelan’i Manjakamiadana sy ny Tranovato Fiangonana sisa tavela… Resy indray i Madagasikara teo, satria ny mari-piandrianany mihitsy no rava.
“Manomeza kely hanarenana ny Rova”
Mahay izay fitenenana izay avokoa, izay efa nahatsiaro saina tamin’ny taona 1995. “Manomeza kely hanarenana ny Rova”, nentina nanangonam-bola ho tsipaipaika, nataon’ny Malagasy rehetra nanerana ny Nosy, mba hananganana indray ity mariky ny tantaram-pirenena ity. Mazava loatra fa fananganana vaovao mihitsy no tsy maintsy hatao satria rava tanteraka ny teo aloha. Niarahan’ny rehetra nanaiky izany, ary niarahana nanao ihany koa ny tsipaipaika.
Ny voalohandohan’ny taona 2000 no nanomboka ny fanarenana an’Anatirova ny fitondram-panjakana, saingy nitarazoka teny izany. Naharitra ny asa fanarenana no niato matetika ihany koa.
Lasa Rovan’i Madagasikara
Ny taona 2019 no nanapa-kevitra ny fitondrana amin’izao fotoana izao, fa hovitaina tanteraka ny asa fanarenena ny rova. Nivoaka ny didim-pitondrana manangana ny “Ofisin’ny Rovan’i Madagasikara”, ny taona 2021. Izay vao tena nahazo ny sata mazava Anatirova, izay lasa Rovan’i Madagasikara, ka voafaritra mazava ihany koa fa mozea izy.
“Rariny raha nomena anarana ho Rovan’i Madagasikara io toerana io. Nanomboka tao ny fanjakana teto Madagasikara, ary misy fandraisana anjara lehibe nataon’ny Malagasy avy amin’ny faritra hafa tamin’ny fananganana azy. Tsy ny fanarenana taty aoriana fotsiny, fa hatarny am-boalohany mihitsy. Ohatra, nalaina tany Ambatofinandrahana ny tafon’i Manjakamiadana. Olona avy aty Fianarantsoa no nanatitra ny solaitra tany Vakinakaratra. Ny tao indray nanatitra tany ambatolampy izay vao tonga tany Antananarivo. Ankoatra izay ny hazo nampiasaina izay avy any antsinanana any. Nisy vola naloan’ny olona tsirairay tamin’ny fotoana nandrakofana vato an’i Manjakamiadana, ary voalazan’ny tantara izany. Ohatra hafa maneho ny fifandraisanan’ny mpanjakan’i Madagasikara tamin’ny foko hafa ny nanomezana voay roa an-dRadama II izay avy any Ikalamavony ny 14 asombola 1847. Teo koa ny ombalahy mpiady roa koa nomena an-dRamahatra sy Radama II holalaovin-dry zalahy avy any Ikamalamavony hatarny, 20 asorontany 1848. Mbola nisy ombalahy roa koa, Ilaimanga sy ilaimena, nomena ny 3 alohotsy 1854 ho an-dRanavalona”, hoy ny mpikaroka sady mpahay tantara, ny profesora Rasamoelina Henri.
Kianja Masoandro, fanehoana ny tantara
Tafarina ny Rovan’i Madagasikara! Mariky ny fandresena indray izany. Nisokatra hoan’ny besinimaro indray izany ny alatsinainy teo, rehefa avy nitokanan’ny filoham-pirenena ny Kianja Masoandro. Ity no fanorenana vaovao ao Anatirova, izay natao hanehoana ny tantaran’ireo mpanjaka nifandimby sy ny tantaran’ny Rova.
“Raha tsy misy olona mandeha eny dia very hasina ny rova. Ny fisian’ny olona maro mpitsidika no manome hasina azy indray. Ny Fiangonana kristianina ao Anatirova ve izany nahavery hasina azy? Zava-dehibe ny fampitana ny tantara amin’ny taranaka ary misy manera-tany ny toerana fanehoana tantara toa ny kianja Masoandro”, hoy hatrany ny fanohanan-kevitry ny Profesora Rasamoelina Henri, izay marihina fa anisani’reo manam-pahaizana nandrafitra ny komity siantifika.
Andalam-pamaranana i Tranovola sy Manampisoa
Natao rafitra mafy ho fiarovana amin’ny afo ny atin’ny rindrina, ary nofonosina hazo natao dika mitovy tamin’ny taloha ny lapa Tranovola sy Manampisoa. Efa vita ny ivelany, fa andalam-pamaranana ny ao anatiny sisa, dia tontosa tanteraka ny asa eny amin’ny Rovan’i Madagasikara. Efa narenina ihany koa mantsy ny tilikambon’ny fiangonana izay nilatsahan’ny varatra, nialoha izao.
Ary ilay taolana dinaozaoro?
Angamba ity no niteraka resabe indrindra, taorian’ny fisokafan’ny Rovan’i Madagasikara ho an’ny besinimaro. Maninona no misy taolana dinaozaoro ao Manjakamiadana? Voalohany indrindra, efa nisy tao araka ny sary tranainy sy ny tantara voalaza etsy ambony. Faharoa, mitondra ny sata maha mozea ny rova, ary tsy vao izao izany. Hitahirizana ireo harembakoka misy sy mampiavaka ny faritra maro manerana an’i Madagasikara ihany koa ao. Dika mitovy amin’iilay taolan’ilay biby dinaozoro, antsoina hoe “Majungasaurus crenatissimus” io aranty ao Manjakamiadana io. Hita tany Mahajanga, vokatry ny fikarohan’ireo siantifika malagasy io…
Nangonin’i Zo ny Aina
(Loharanon-kevitra: Tantara ny Andriana, nangonin’ny RP. Callet/ Profesora Rasamoelina Henri, mpikaroka sy mpahay tantara/ Rakotondrabao Andriantsihafa Aro Ilon’Aina, “conservateur” an’ny Rovan’i Madagasikara)