Malilo ny sofina. Samy misintona any amin’izay heveriny fa marina. Samy miseho ho tompon’io fahamarinana io ka tsy manaiky ho lesoka manoloana ny hafa. Ankoatra ireo, mibahan-toerana ihany koa ny asan’ny karazan-kery samihafa. Ao ny manome baiko, mampirisika, mandrahona sy mampatahotra… Satria, tsy an’ny Malagasy ny momba azy fa eo am-pelatanan’ny sasany.
Ireo heverina ho manam-pahaizana, avara-pianarana, be diplaoma, sns, mifanipa-kevitra. Ireo tondroina ho olona manana ny maha izy azy, samy manana izay lazainy. Voatondro molotra ho mpandainga… Mipoitra etsy sy eroa, ankehitriny, ny resabe maro momba ny tantara nisy teto Madagasikara, fomba amam-panao malagasy, kolontsaina malagasy, sns. Antony lehibe mahatonga ireny rehetra ireny ny tsy fahalalan’ny Malagasy ny momba azy. Tsy mahafantatra ny tantarany ny Malagasy. Na, mahalala ihany fa ireo napetraky ny vahiny no fantany. Iny no atao kitro ifaharana. Iny no hoentina ho tohana amin’ny hevitra ambaran’ny vava.
Tsy nitsangantsangana na hanome fahafinaretana sy fahasambarana ary fiadanana ho an’ny Malagasy, anefa, ny antony nidiran’ny vahiny teto, fa hitady tombontsoa. Noho izany, sarotra ny hilaza fa tsy namboaboarina ny ankamaroan’ireny tantara namahanana ny Malagasy hatreny an-tendankeliny ireny. Ny ankamaroan’ny boky na tahirin-kevitra mirakitra ny momba an’i Madagasikara sy ny Malagasy aza moa ry zareo vahiny no nanoratra azy. Mbola dimbiasin’ireo ambara fa Malagasy avara-pianarana aza izany ankehitriny. Toa fady amin’ny ankamaroan’izy ireny ny mamoaka ny voka-pikarohany amin’ny teny malagasy.
Ny mahafantatra indray no mihafihafy
Mibehaka, mirehaka, manangam-bovona mihitsy aza ireo « atosi-javatra », milaza tantara, na mampahatsiahy ny lasa, na mampianatra ny fomba, sns. Ireo mahatahiry sy mahatadidy ary « mahalala zavatra », lasa an-jorom-bala. Tsy fantatra akory aza ny fisiany satria kely feo. Sady tsy avela miteny, no tsy ampitenenina. Io no antony iray faharoa miteraka ilay resabe etsy sy eroa. Na heverina ho manana toerana tsara eo anivon’ny rafi-piarahamonina misy ankehitriny aza (mpikaroka, mpampianatra, akademisianina, olobe mahatahiry…) ny ankamaroan’izy ireo, tsy afaka na tsy sahy maneho hevitra fa mitazam-potsiny manoloana ny mety ho fahadisoana heno na hita eny anivon’ny fiarahamonina.
Nankaiza ireo raiamandreny ? Naleon’ny sasany amin’izy ireny misafidy ny tsy hiteny satria anaran-tsy very sisa, fa raha ny hasina sy ny fahalalana ary ny fahendrena ananany, efa tsy fantatra intsony ny fisiany. Antony fahatelo miteraka resabe momba ny tantara sy ny fomba amam-panao, sns, ankehitriny io. Mihafihafy ny raiamandreny. Aleon-dry zareo manidy vava, toy izay miteny tsy misy mpihaino. Na, misy mihaino ihany fa rano an-damosin-gana !
Ovaina ifotony ny fanabeazana sy ny fampianarana
Raha mbola ny fanabeazana (ankohonana, fianakaviana, fiarahamonina…) no tsy manjary, tsy hisy « fandrosoana » azo antenaina ho azon’i Madagasikara. Beazina amin’ny lamina sy lalàna voajanahary sahaza azy (teny, fomba amam-panao, kolontsaina…) ny taranaka malagasy. Tsy mety ny mitomany randrana tsy mendrika ny tena. Hovaina hanaraka izany ihany koa ny tontolon’ny fampianarana. Ireo roa ireo mitambatra no hamolavola ny Malagasy. Amin’izay fotoana izay, tsy tokony ho hita intsony ny Malagasy tsy mahafantatra ny momba azy.
HaRy Razafindrakoto