Mamarana ny fotoam-piasany eto Madagasikara i Marie Chantal Uwanyiligira, solontena maharitry ny Banky iraisam-pirenena. Nisy, araka izany, ny fihaonana sy lanonana fanaovam-beloma ireo mpiara-miasa aminy teny amin’ny biraon’ny Banky iraisam-pirenena, eny Anosy, omaly. Fotoana izay nanaovany tombana ny asa vitany nandritra ny efa-taona niasany teto Madagasikara. Lohahevitra maro no noresahiny nandritra io fotoana io. Anisan’ny nisongadina tamin’izany ny momba ny toerana misy ny Jirama amin’izao fotoana izao. « Mila jerena ny fitantanana ny orinasa Jirama na dia nisy aza ny fanatsarana ny tolotra omeny”, hoy ity solontena maharitry ny Banky iraisam-pirenena ity. Manana tombony ny firenena malagasy amin’ny fampiasana ireo angovo azo havaozina raha oharina amin’ny firenena hafa. «67% ny herinaratra ampiasain’i Madagasikara dia avy amin’ny solika avokoa. Lafo sy mandany vola izany. Mila jerena ny fampiasana ny angovo azo havaozina”, hoy hatrany ny fanazavany. Notsipihiny manokana fa mampiasa takelaka mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny ankamaroan’ny mponina any ambanivohitra. Mitsitsy kokoa izany sady manampy amin’ny fitantanam-bola eo anivon’ny tokantrano.
Fandrosoana
Ivon’ny fandrosoana ny fanavaozana maharitra ny sehatra samihafa. Nanome ohatra momba ny firenena niaviny, Rwanda, iray amin’ireo modely amin’ny fampandrosoana aty Afrika, ity tomponandraikitra ity. “Nanao fanavaozana maharitra nandritra ny 25 taona i Rwanda. Tsy vita ao anatin’ny herintaona izany”, hoy izy. Ambany ny tahan’ny olona afaka mampiasa ny internet eto Madagasikara, 22% monja izany raha mahatratra 33% ao Afrika. Tsy mampiasa ny internet anefa ireo Malagasy afaka mampiasa izany noho ny fahalafosan’ny sarany. Nilaza i Marie Chantal Uwanyiligira fa niato nandritra ny taona maro ny fanondranana volamena. Ny antontanisa avy any Dubai kosa milaza fa 15 taonina ny volamena avy eto Madagasikara.
Henintsoa Hani