Ao anatin’ny fankalazana ny tsingerin-taonan’ny fiverenan’ny Fahaleovantena izao: miravaka ny tanàna, mirefodrefotra ny tsipoapoaka… Misy apoaka hatrany ny Malagasy? Eny, na eo aza ny fahasahiranana. Fankalazana, seho na hetsika, avokoa izany rehetra izany, fanomezam-boninahitra ny firenena sy ny fiandrianampirenena… Zava-dehibe ny Fahaleovantena izaka-manana ny tena sy ny firenena mbamin’ny hareny. Fampahatsiahivana sy fiainana izany no atao amin’izao, indrindra ny fananganana sy fanomezam-boninahitra ny saina, mariky ny firenena sy ny fiandrianany: tsy mandehandeha ho azy amin’izao na heverina ho tsy inona, fa misy antony sy dikany avokoa.
Izay no ampahatsiahivana ny hoe tsy maitso, fotsy, mena, araka ny mahazatra ny sasany hatramin’izay, ny filahatr’ireo loko amin’ny saim-pirenena, fa fotsy, mena, maitso. Manaraka ny tahon-tsaina ny fotsy. Saika mandeha ho azy amin’ny maro ny fanomezana dika ny fotsy hoe mariky ny fahadiovana. Toy ny lamba sy akanjo fotsy amin’ny ankamaroan’ny fiangonana sy ny raharaham-pivavahana ankapobeny, ohatra, indrindra ny kristianina. Mariky ny aina sy ny fahavelomana koa ny fotsy amin’izany, mifanohitra amin’ny mainty sy volomparasy, tandindon’ny fahafatesana sy ny fahamaizinana. Izay no mahatonga ny mpino sasany loko fotsy no ampisaina amin’ny famoizana havana. Tsy fisaonana?
Eo ihany izay, fa enti-maneho ny vahoaka koa ny loko fotsy amin’ny Malagasy. Izay, ohatra, ilay hoe mamorom-potsy ilazana vahoaka na ny fahamaroan’ny olona. Ny olona mitafy lamba fotsy amin’ny fotoan-dehibe toy ny fandroana sy fihainoana kabary tamin’ny tany gasy no niavian’izay fitenenana izay. Efa nahalala izay lazain’ny manampahaizana hoe fitambaran’ny loko rehetra ve ny Malagasy? Na endriky ny fitambaran’ny olona rehetra tsy ankanavaka ny fotsy amin’izany… Rehefa zohina ihany ny tantara, ny sarambabem-bahoaka no natao hoe olom-potsy, tsy andrian-tsy andevo. Tantara izany ka tantara, tsy voarara fa iaraha-mizara, ny tsirairay aty afara no mitsara…
Saika efa iarahan’ny rehetra na ny maro mahalala kosa ny loko mena manaraka ny fotsy: maneho ra sy tolona, firehetam-po sy fitiavana, fandresena… Tamin’ny fitondran’ny mpanjaka aza, mariky ny fiandrianan’ny fanjakana ny loko mena. Koa tsy azo atao ny miakanjo mena, mielo mena… Amin’izao, saika izay mandrakariva ny hevitra ara-tandindona amin’ny loko politika, ohatra: tolona, firehetana, fandresena… Mazava ny loko maitso, araka ny fahatakarana sy fandikan’ny tsirairay azy: fanantenana, fahatanorana… Mby ao an-tsaina ho azy hatramin’ny hoe i Madagasikara nosy maitso. Mifamatotra amin’izany ny fambolena, famokarana… ?
Aiza ho aiza amin’izany rehetra izany àry izay misy sy iainana amin’izao fotoana izao? Ny vahoaka tokoa, ohatra, antoky ny fitiavan-tanindrazana sy fampandrosoana? Na hoe tia tanindrazana… Miainga amin’ny hetahetany sy izay tena mahasoa azy amin’ny fampivoarana ny fiainany ve, ohatra, izay heverina sy atao ary kendrena? Na misy ny fampandraisana andraikitra azy amin’izany ao anatin’ny fifampahatokisana… Tsy heverina ho zaza bodo na bado ka tantanan-dava, na miandry tolorana, sanatria. Inona no mety ho azony atao sy mety ho vitany? Vahoaka tomponandraikitra izany, mandray an-tanana ny aminy sy ny hoaviny, matoky tena…
Tsy vitan’izany, vahoaka mahatsiaro sy miaina ho an’ny tanindrazana iombonana sy mampiombona amin’izay ataony sa miady ho an’ny tenany sy ny ankohonany ihany? Vahoaka miady ho amin’ny fandresena, hananana fanantenana ny hoavy sy ho an’ny taranaka izany, fa tsy miaina fe (fa hoe) miaina: rehefa tsy maty dia izay, na tsy mahalala sy tsy mijery afa-tsy ny tena sy ny anio… Tsia, tsy ny vahoaka ihany fa ny mpitondra indrindra koa. Ny vahoaka rahateo no antom-pisian’ny mpitondra. Sao ny ataon’ny mpitondra, sanatria, no mahatonga ny vahoaka tsy mahalala firy intsony afa-tsy ny tenany sy ny anio? Na tsy apetraka amin’ny toerana sahaza azy… Fotoana fandinihan-tena izao raha mbola eo ny sain’ny firenena. Aiza ho aiza amin’ny loko politika mahazo vahana sy mandeha ho azy amin’ny maro tato ho ato izay? Tsy ho very amin’izany akory ny fotsy, mena, maitso…
R. Nd