Mahaleo tena isan’andro

 

Vita iny ny fankalazana ny niverenan’ny Fahaleovan­tena, na teo aza ny fiantsoana sy fihantsiana tsy hanatrehana izany. Ahoana ny manaraka? Ny fitohizan’ny raharaham-pirenena sy ny fiainam-bahoaka. Voafafan’izay ve ny fahasahiranana andavanandro mandavantaona? Nitondra inona àry ny fankalazana? Mba tsy fombafomba sy fahazarana fotsiny…
Tena misy sy iainana ny Fahaleovantena? Eo ny fahaleovantena politika. Hatramin’izao, mbola iadiana, ohatra, ireo Nosy malagasy manodidina; eny, na eo aza ny fehin-kevitry ny ONU, tamin’ny 12 desambra 1979. Tena tompony mahazaka manana ny taniny sy ny harena ao aminy ve ny Malagasy? Eo koa, ohatra, ny enti-manana ny fifidianana mbola mila tolo-tanan’ny hafa.
Ahoana koa ny fahaleovantena toekarena sy sosialy? Ny faharefoana sy ny fiankinandoha amin’izany aza no miantoka ny fahaleovantena politika. Iza no tena mifehy ny toekarem-pirenena? Na eto an-toerana na any ivelany… Indraindray, voakenda roroka na takalonaina amin’ izany ny politika. Izay, sanatria, no tsy mahafa-bela amin’ ny trosa sy fanampiana? Eny, na manankarena aza
i Madagasikara. Mipaka amin’ny sosialy izay faharefoana izay, atao fampitahorana lava amin’ny fipoahana politika.
Filazan’ny sasany ny hoe tsy ny tany madinika no mila ireo firenen-dehibe, fa ry zareo no mila ny firenena mahantra: fitrandrahana akoram-bokatra, fanondranana entana… Vao mainka marina izany amin’izao krizy maneran-tany izao noho ny ady any Ukraine. Samy manao izay ivoahana amin’ny fahasahiranana ny isam-pirenena? Izay no maha zava-dehibe ny fahaleovantena.
Lazaina aza amin’izao fa izay mahavita tena amin’ny sakafo no hoe firenena matanjaka atsy ho atsy. Aiza ho aiza i Madagasikara? Mila dingana isaky ny mihetsika sy amin’izay atao izany. Izay no anatrarana sy iaianana ny fahaleovantena… isan’andro. Ady fiady isan’andro ny krizy maneran-tany, ny fihanaky ny valanaretina, ny fiovaovan’ny toetr’andro…

R. Nd.

Partager sur: