Tontosa, omaly, tetsy Ampasanimalo, ny hetsika “Havatse Dago Tattoo Fest”, andiany voalohany. Nanatrika izany ireo tanora malagasy maro, mpankafy ny fanaovana tombokavatsa.
Mihevitra ny ankamoroan’ny Malagasy fa rendrarendra sy natokana ho an’ny jiolahimboto ny fanaovana tombokavatsa, raha ny zava-misy. “Tsy fantatry ny Malagasy fa anisan’ny kolontsaintsika ihany koa izany ka antony nanaovana ny hetsika”, hoy Razafimanantsoa Hanta Navalona, tomponandraikitry ny “Havatse Dago Tattoo Fest”. 420 ireo mpisehatra matihanina amin’ny fanaovana izany eto Madagasikara, raha ny antontanisa. Mampiasa fitaovana manara-penitra sy ara-dalàna (machine, encre, gant,…) avokoa izy ireo. Voasarika manao tombokavatsa ny ankamaroan’ny Malagasy, na lahy na vavy, 15 hatramin’ny 65 taona. Hanamarihana ny tantaram-piainana nolalovany, ny fanaovana izany, raha ny fanazavana. “Voan’ny adin-tsaina lalina hatry ny mbola kely aho, nitsaboako ny tenako ny nanaovako tombokavatsa”, hoy ny mpilatro iray nandray anjara tamin’ny hetsika. Safidin’ny tsirairay ny faritra hametahana ny kisary (sandry, tongotra, lamosina, tratra ary tarehy).
Ilana fahaizana
Saro-pady ary mitovy amin’ ny asa fandidiana any amin’ny hopitaly ny asa. Tokony hanatona matihanina ireo liana te hanao izany.
Mba hialana amin’ireo karazana aretina maro samihafa (homamiadana, VIH/ Sida…) mety mahazo ny mpanao izany. Ilana fahaizana, fahadiovana, fananana fitaovana manara-dalàna… izany. Raitra sy kanto ny asa, raha toa ka voahaja avokoa ireo fenitra takina ireo.
Tokony hanana “certificat d’hygiène” ihany koa ny mpisehatra amin’ ny asa. Hiezaka hanome fiofanana ho an’ireo mpisehatra rehetra manerana ny Nosy ny mpikarakara. Mba hitovian’ny lenta eto an-toerana sy any ivelany.
Mino (mpianatra asa)